|
|
|
|

Teny iditra1  fihemorana
Fototeny  2 hemotra
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 Fitambotsorana, fanaovana dia mianotra: Efa nampoizina ny fihemoran' ny tafika teo anoloan' ireo fahavalo be fiadiana lavitra noho izy ireo.
5 Fialana; Nahagaga ny olona rehetra ny fihemoran-dRakoto tamin' ny fifidianana.
6 Fisintonana: Naharitra hateloana ny fihemoran' ny rano.
7 Fihenana: Fihemoran' ny vidim-bary izao fararano izao. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8 the act of drawing back; backsliding; a decline. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9 recul, retrait; déchéance, déclin. [1.8]
10 reculade. [1.66]
Ohatra  11  Ny azo iantsoana ny "raharaha Daewoo" dia niafara tamin' ny fihemorana ankapobe teo amin' ireo antokon' olona roa voakasika. [4.27]
12  Tonga ny mpampakatra sy ny mpaka, nefa sampona ny raharaha, ka fara fahatsarany, hahemotra aoriana, raha tsy ho fihemorana mandrakizay! [1.223]
Tohi-kevitra  13 fandrosoana

Fivaditsoratra  14 fihemorana, 15 mifanohera

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12