|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  fangalabola
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 karazan-dolo: ny fandainy, izany hoe ny zanany izay ataon' ny olona hoe fangalabola, dia mikiky sy mihinina ny hazo isan-karazany, toy ny ôka, ny paiso, ny mimoza, ets. [1.10]
4 Bibikely lavalava mifono ao anaty tranony vita amin' ny tapa-bozaka sy tapa-kazo madinika, mandeha na mihantona amin' ny hazo [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  5 la chenille d'une espèce de Psyché [1.3]
Voambolana  6  Haibiby: tsy manan-kazon-damosina

Teny iditra (2/3)7  fangalabola
Sokajin-teny  8  anarana
Fanazavàna teny malagasy  9 karazana manavy (biby) [Betsileo] [1.10]
Voambolana  10  Haibiby: mampinono

Teny iditra (3/3)11  fangala-bola
Singan-teny  12 fangalatra, 13 vola
Sokajin-teny  14  kambanteny
Ohabolana  15  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  fangala-bola, fangalabola

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08