|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  fanasana
Fototeny  2 asa
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 Sakafo lehibe iarahan' ny olona maro nasaina mihinana. [1.1]
5 Fiangaviana am-panalana mba ho tonga handray anjara amin' ny sakafo na lanonana iray: Tsy afaka handà ny fanasako ianao noho ny fifankatiovantsika.
6 Fandranitana fiasana: Vatoasana no fanasana ny antsy. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 a feast, a banquet. [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8 festin, banquet; invitation. [1.8]
Ohatra  9  Manonofy manatrika fanasana be : hafaliana vonjy andavan' andro ihany. [1.381#]
Tovy hevitra  10 fanasam-be
Kamban-teny rehetra  11  Fikambanana 4 amin' io teny io
Ohabolana  12  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  13 Randzavola: fanasana ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/2)14  fanasana
Fototeny  15 sasa
Sokajin-teny  16  anarana
Fanazavàna teny malagasy  17 Fanadiovana mba hialan' ny loto: Anio no fanasan' ny kilasimandry lamba. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  18 A washing place, or anything used for washing, as soap, a stone, etc.. [1.2]
19 washing clothes, washing. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  20 action de laver, instrument pour laver, lieu où on lave.. [1.5]
21 la lessive, action de laver le linge. [1.8]
Ohatra  22  Teo alatrano no nisy ny robine fakana rano sy ny fanasana lamba. [2.356#]
Kamban-teny rehetra  23  Fikambanana 6 amin' io teny io
Ohabolana  24  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09