|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  elatra
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 solon-tsandry ahafahan' ny vorona manidina rehefa akopakopany ka mikapoka ny rivotra: Vorona fohy elatra ny akoho [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 a wing [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  5 aile [1.3, 1.8]
Ohatra  6  Voromahery efa lava elatra no tao. [2.298]
7  Raha mba izaho mantsy no nanana elatra! [2.324]
8  ka nony tsy nahazo izay niriny dia nikopaka elatra. [2.643]
9  Tsimbotry no anaran' ny adrisa mbola kely tsy manana elatra. [2.332]
Voambolana  10  Haibiby: (amin' ny ankapobeny)
Kamban-teny rehetra  11  Fikambanana 11 amin' io teny io
Ohabolana  12  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/3)13  elatra
Sokajin-teny  14  anarana
Fanazavàna teny malagasy  15 enti-milaza ny fisokatry ny lamba sy ny fikombony indray [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  16 action de s’entr'ouvrir comme le lamba, les rideaux [1.3]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :

Teny iditra (3/3)29  elatra
Sokajin-teny  30  anarana
Fanazavàna teny malagasy  31 anarana omena ny karazan-karatra lalitra, na matetika koa karazan-karatra tsy nananana raha milalao karatra [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  32 le trèfle au jeu de cartes [1.3]
Voambolana  33  Kilalao
Tovy hevitra  34 lalitra
Sary 

Fivaditsoratra  35 aletra, elatra

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09