Entrée angely
Partie du discours nom
Explications en malgache Bibikely tokony 3 sm ny halavan' ny vatany, mikiririoka mankarenin-tsofina amin' ny alina. Misy mivelona ao an-trano ny angely, izay atao hoe angelinkary, ary misy mivelona eny an-tsaha. Ny angelivavy dia atao hoe kabatita na kabanty; ny feon' ny angely andavanandro dia atao hoe fikiririoka fa fivolana kosa rehefa hiady izy. Rehefa miady iny ny angely ka misy iray ho resy, dia mamoaka feo hafahafa izay ilay io, ka izany no atao hoe mamela volana. Bibikely fatra-piady ny angely ka ny mampirisika azy ireny hiady no atao hoe mikitra angely [1.1]
Explications en anglais The name of a species of cricket. Also called antsoindahy. The children are much given to catching these insects and making them fight. [1.2]
 A cricket [1.7]
Explications en français Grillon [1.8]
Vocabulaire 
Synonymes antsiona
Mots composés 
Zoonymes 
Proverbes 

Entrée angely
Partie du discours nom
Explications en malgache Olona ratsy fitondran-tena, izay atao hoe angelin' olona
Mitovy hevitra: akanga ~ angatra ~ angelingely ~ karandahy ~ mpanaram-po ~ mpiliba [1.1]
Explications en français Libertin, débauché [1.3]
Dérivés 

Anagrammes 

Mis à jour le 2023/08/11