|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 amena
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Teny hebrio izay fahita amin' ny fiafaran' ny vavaka fanaon' ny kristianina, ka ny heviny dia hoe: Ho tanteraka anie izany [1.1]
Ohatra  4 Vita ny amena, dia tapitra ny ainy. [2.649]
5 Ary ravehivavy hanao hoe: amena, amena. [2.996]
Voambolana  6 Fivavahana

Teny iditra (2/2)7 Amena
Singan-teny  8amena
Sokajin-teny  9 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  10 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  11Raoely James
Lahatsiratra manontolo  12 Tsy avona akory no mitondra
13 iny rahona iny hisavoana,
14 Fa mba toa azy koa ny foko,
15 maniry hisondrotra ambony!

16 Tonga ny taona vaovao
17 mitondra hira mavokely
18 hokaloin'ny voron'alina,
19 sombinaiko ô, mifohaza!

20 Avelao ny alahelo sy ranomaso
21 hoentin'ny reniranom-panadinoana,
22 Fa misy kintana iray baliaka
23 toy ny masonao diavolana,
24 hitarika antsika ho teraka indray
25 ao amin'ny fanantenana vaovao.

26 Amin'ny tany triatran'ny ririnina
27 no hamelatra indray ny voninkazo.

28 Sombinaiko ô, iriko ho anao
29 taona iray feno hanitra sy hira.
30 Iriko ho anao lanitra menafify
31 hampialona ny laoranjy masaka,
32 sy feon-dokanga mihararetra, miakatra
33 toy ny vavaky ny ankizy hatory.
34 Iriko ho anao ny fotoana mamy
35 hiverenan'ireo lasan-davitra;
36 ary ny tanana iray malefadefaka
37 hitondra safosafo eo an-dohanao
38 mivesatra ny onjan'ny tany.

39 Dia hiarahantsika manandratra
40 Ny Amena fiton'ny fitiavana .

Fivaditsoratra  41 Amena, amena, 42 Anema, 43 mañea

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03