Entrée | 1 Rabetsimandranto Fidelis-Justin |
Mots élémentaires | 2 Rabetsimandranto, 3 Fidelis, 4 Justin |
Partie du discours | 5 nom propre (anthroponyme) [Liste complète] |
Explications en malgache |
6 Rabetsimandranto Fidelis-Justin (1907-1966) [1.1] 7 Fidelis-Justin Rabetsimandranto dia teraka tao Antananarivo tamin'ny taona 1907, volana Oktaobra ary nodimandry tamin'ny volana Aogositra 1966. Tao Mananjara, vohitra kely naorin'Andrianampoinimerina tany an-tendrony, ao ambany atsimon'Ambohijanahary, no akany nahitany masoandro. Ny razambeny dia anisan'ireo " Valopololahy " sy " Valopolovavy " nafindran'ny Ombalahibemaso fonenana tao. Tao amin'ny Sekolim-panjakana tao Fiadanana no nanombohan-dRabetsimandranto nianatra, dia nifindra tao amin'ny "Ecole-Supérieure " tao Faravohitra izy, ary avy ao dia niditra ho kilasimandry tao amin'ny " Collège Saint-Michel" Amparibe; dia tao no nianarany nandritra ny efa-taona ka nahazoany ny diplaoman'ny fahazoa-mampianatra. Nony nivoaka ny fianarana izy, tamin'ny taona 1925, noho ny talenta hita taratra nananany tamin'ny fanoratana, dia nangatahina mba ho isan'ny Mpanoratra amin'ny " Feon'ny Marina " , ka dia tao no nanombohany ny asany voalohany amin'ny soratra ary nahalalan'ny maro ny hakanton'ny diam-peniny mitondra ny solon'anarana hoe: Fidelis-Justin, "anarana indrana" nentiny mandra-pahafatiny. Ny poezia no isan'ny soratra nahavanana azy sy nankafiziny fatratra ary nokaliny sy nanorenany fo tokoa. Raha vao herintaona monja no nanoratany an-gazety, dia namoaka ho boky ny asany voalohany izy, izay nomeny anarana hoe "Fehezam-boninkazo" , tononkalo mirindra sy feno aingam-panahy ambony ka toa niavaka tamin'ny asa soratra fahita tamin'izany andro izany. Hatramin'io taona 1926 io, dia tsy nitsahatra ny nanoratra i Fidelis Justin Rabetsimandranto, ary nifototra tamin'ny literatiora ka ny amboaran-tononkalo sy tantara poezia vitany hatramin' izay dia miisa amin-jatony; ny tantara foronina, enina ambin'ny folo; ny tantara fampisehoana, enina; ny Vako-drazana, enina, ka anisan'ireo ny "Kabary taloha sy ankehitriny ". [2.314] |
Vocabulaire | 8 Littérature: auteurs |
Ouvrages littéraires |
9 Adidy nandresy fitiavana Tritriva 10 Andraikiba 11 Antananarivo sy Ambanivohitra 12 Avonavona resim-pitia 13 Diksionera Malagasy : A-Doka 14 Fehezam-boninkazo 15 Fo idealy 16 Fomba amam-panao malagasy : 1887-1962 17 Hady folo sosona 18 Hain-teny malagasy 19 Iangivola 20 Kabary vaovao 21 Ny kabary taloha sy ankehitriny 22 Ny voninkazon-dohataona 23 Ralibenja 24 Ranokombe 25 Sahy sedra Mizana tsindrian’ ila 26 Soaniary 27 Sorobaton’ilay jamba 28 Trimofoloalina 29 Vatolahy 30 Votso-droa |
Mis à jour le 2025/09/12 |
![]() |