|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  mitsikia
Fototeny  2 tsiky
Sokajin-teny  3  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mitsiky [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Teny iditra (2/2)4  Mitsikia!
Singan-teny  5 mitsikia
Sokajin-teny  6  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  7  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  8 Andriamanantena Georges
Lahatsiratra manontolo  9  Mitsikia! Miràna endrika!
10  K'aza odiana re akory ny fanetoky ny fery
11  ao anatinao, ry foko! Pero aza ny fisento
12  tsy hipololotra intsony, ka ny masonao mijery
13  Hatanjaho tsy ho rendrika !

14  F'efa hatrany am-piandohana
15  no nazava taminao fa ny volana handalo
16  ary hanintsana ny felany aorian'ny famololony;
17  ny lohataona dia ho lasa… ny valiha hitsaha-kalo;
18  ary tahaka izany koa ny fitiavana natolony:
19  Tsiro manam-piafarana.

20  Ny fahendrena ve? Fantaro!
21  Minia mitsiky raha ory. Minia mifaly raha tomany.
22  Ny ranomaso atelomy na mangeja sy mandifotra
23  fa hanjary " perla " izy, toy ny fasika mavany
24  nokobonin-taona maro tao an-kibon'ito sifotra.
25  Ny toloko, atsaharo!

Fivaditsoratra  26 masikity, 27 masitiky, 28 misitaky, 29 Mitsikia!, mitsikia

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09