|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/6) | 1 manina |
| Fototeny | 2 hanina |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
4 Mahatsiaro ny any lavitra ka malahelo te hahita, manembona: Manina ny any aminay aho izany.
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
5 to long for, to regret; (instead of the passive verb, use mahamanina).
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
6 regretter, soupirer après (au lieu du passif on emploie mahamanina).
[1.8] |
| Ohatra |
7 manina ny tanindrazana aho izany!
[2.470]
8 Mba finoana velona eo amin' ny mpiantsambo rehetra koa fa izay efa nandia ny fiainan-dranomasina, tsy maintsy manina mandrakariva ny fidoboky ny onja. [2.471] |
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Voambolana | 14 Ontam-po |
| Kamban-teny rehetra | 15 Fikambanana 2 amin' io teny io |
| Ohabolana | 16 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/6) | 17 manina |
| Fototeny | 18 ina |
| Sokajin-teny | 19 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny anglisy |
20 to command, to direct, to govern, to conduct, to manage. Chiefly used in speaking of the affairs of the kingdom..
[Provincial]
[1.2] |
| Haiendriteny |
|
| Teny iditra (3/6) | 25 manina |
| Sokajin-teny | 26 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
27 manendry.
[Bara]
[1.78] |
| Teny iditra (4/6) | 28 manìna |
| Fototeny | 29 hanina |
| Sokajin-teny | 30 filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manina [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
[1.1] |
| Teny iditra (5/6) | 31 maninà |
| Fototeny | 32 ina |
| Sokajin-teny | 33 filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manina [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
[1.1] |
| Teny iditra (6/6) | 34 Manina |
| Singan-teny | 35 manina |
| Sokajin-teny | 36 anarana (lohatenin-tantara fohy) |
| Voambolana | 37 Haisoratra: tantara fohy |
| Mpanoratra |
38 Tselatra |
| Lahatsoratra | 39 - Veloma ihany, ry masoandro hilentika; masina, ry volana hisoka, fa ianareo no vaky andro tsinana alina ka mba hoperako hafatra amin-drahavana: lazao azy fa misento azy tsy hita aho ka manohoka aloka irery; ory havana hariva ka mivoady ny andro ho maraina. Laingo nosarahina aman-kazo aho, elatra nolaingosana amam-borona ka sady malazo no saraka amin'aina. 40 - Mitevy ala ny any atsinanana ka alin-kely manjepy ny aty andrefana: saron-javona antoandro ny any Ankaratra ka kamokamo tomefika ny aty Andringitra. Raha mahatsiaro ny any, misento mahalana ny aty. Sakanan-tany tsy hipaka mantsy, elanin'andro tsy hihaona, fa manindria fo tsy ho aiza, rahavako, fa andro maro no hananana ahy. |
| Fivaditsoratra | 41 manany, manañy, mañañy, mañany, 42 manina, Manina, maninà, manìna |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/10 |
|