|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Foloalindahy |
| Singan-teny | 2 folo, 3 alina, 4 lahy |
| Sokajin-teny | 5 anaram-poko |
| Fanazavàna teny malagasy |
6 anarana nomena ny miaramilan' Ilaidama ary mbola ilazana ankehitriny ny fitambaran' ny antoko-miaramila rehetra eto amin' ny firenena. (Nokendren-dRadama ny hanana tafika toy ny Vazaha, izay mianatra matso, fitifirana, sarin' ady ka folo alina na iray hetsy no isa noheveriny hotratrarina).
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
7 the one hundred thousand men, which is the name given to the army..
[1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
8 cent mille hommes. On donnait ce nom à l'armée, parce que le souverain prétendait audacieusement pouvoir mettre en campagne cent mille soldats.
[2.415] |
| Ohatra |
9 Tsy ravàna ny foloalindahy fa ampitomboina.
[2.508#]
10 Fa matoky aho, ray ambanilanitra sy foloalindahy! [2.298#] |
| Voambolana | 11 Miaramila |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/11 |
|