|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  embona
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 fahatsiarovana amin' alahelo olona na zavatra (toy ny tanàna na tany) noho ny fitiavana: Anisan' ny fihetseham-po mamelovelo so am-pony embona ny tanindrazana. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 sigh. [1.209]
Fanazavàna teny frantsay  5 regret.
6 soupir poussé en songeant à une personne ou à un objet chéri, absent ou perdu. [1.3]
Ohatra  7  Hita mifaritra mazava ny azy ny embona. [2.314]
8  Tsy tana ny embona : " Vitsika momba kitay, hoy Jean Narivony, ka manimanina ny any aminay! [2.356]
9  Izay no voalohany nandehanan' ny sainy tany amin' i Sahondra, dia ohatra ny nisy embona nifangaro hatezerana nibosesika tao am-pony. [2.529]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Voambolana  19  Ontam-po
Mpanahaka  20  hanina

Teny iditra (2/3)21  embona
Sokajin-teny  22  anarana
Fanazavàna teny frantsay  23 flotter. [Tankarana] [1.19]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny fameno :

Teny iditra (3/3)26  Embona
Singan-teny  27 embona
Sokajin-teny  28  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  29  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  30 Razafindrafidy Bien-Aimé
Lahatsiratra manontolo  31  Midona malefaka ery Ankaratra,
32  vaky tsipelana ny eny Anjafy.
33  Midona kanefa tsy fahavaratra,
34  fa erika kely no re mifafy.

35  Lanitra soa, tomarataratra,
36  otronin'ny rahona mitsitoko,
37  kanefa, ry lahy, iry Ankaratra
38  zary manjombona sy manjoko.

39  Ankaratra ô! nahoana kosa,
40  manembona ve ilay nisaraka,
41  ka ny tolokony miavosa
42  eo aminao no te-hiraraka?…

43  Raha manina izy ka mitomany,
44  lalim-pisento fa te-hiverina,
45  asaivo mitony hangina ihany
46  fa toraka izany'lay eto Imerina!

47  Ny sentom-pony raha tonga fatra
48  - ka indro mandrotika ny fanahy -
49  aoka hionona fa ny ratra
50  iombonako aminy lavitra ahy!

51  Tsy oram-baratra no midona, fa
52  fo feno hanina no miteny,
53  ka ny vetsom-panahiny kely foana
54  tsy sasa-mivezika sy manjeny.

55  Eny, ry rahona ery Ankaratra!
56  ry rahona fotsy iaraha-mijery,
57  meteza ianao mba ho fitaratra
58  hampita ny sarin'ilay miery.

59  Vaky tsipelana ve Anjafy
60  ka tsy hidoboka iry Ankaratra?
61  Raha izy misento ka mafimafy,
62  ny foko no toy ny latsaham-baratra!

Fivaditsoratra  63 ambeno, 64 ambone, 65 añombe, 66 bomena, 67 Embona, embona, 68 mañebo

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09