|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/4) | 1 didy |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 Fizarazarana zavatra mivaingana amin' ny zava-maranitra toy ny antsy; rasa, tetika, kapa: Ataovy didy sompirana ny hena.
4 Fanapahana lamba hanaovana akanjo: Tsy tiako itỳ didy akanjonao ity. 5 Lalàna, fitsipika, baiko: Toy izao ny didin' ny fikambananay ka asa raha hiditra ianao. [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
6 a cut.
7 a command. [1.2, 1.7] 8 an order, a law, a will. [Mal. litah] lily is used for this in the provinces. [1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
9 coupe, incision.
10 commandement. [1.8] |
| Sampanteny |
|
| Kamban-teny rehetra | 28 Fikambanana 40 amin' io teny io |
| Ohabolana | 29 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/4) | 30 didy |
| Sokajin-teny | 31 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
32 Aretina mpahazo ny maso izay mahatonga ny hodimaso hiraikitra ka tsy afa-mihiratra tsara: Indroa andro izao no didy ny mason' Ibalita kely.
33 aretina mpahazo ny tongotra, izay mampisy tataka kely amin' ny elanelan' ny rantsana; ny tena ilazana io aretina io anefa dia hoe didintsokina. [1.1] |
| Voambolana | 34 Fahasalamana |
| Teny iditra (3/4) | 35 didy |
| Sokajin-teny | 36 mpamaritra |
| Fanazavàna teny malagasy |
37 mamo.
[Tanosy]
[1.78] |
| Sampanteny |
|
| Teny iditra (4/4) | 40 Didy |
| Singan-teny | 41 didy |
| Sokajin-teny | 42 anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana] |
| Fangi-bolantany | -18.1166667+48.5333333 |
| Voambolana | 43 Haitoetany: tanàna |
| Fivaditsoratra | 44 didy, Didy |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09 |
|