|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  ataotaovy
Fototeny  2 tao
Sokajin-teny  3  filaza mandidin' ny matoantenin' ny iharana ataotao [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Teny iditra (2/2)4  Ataotaovy
Singan-teny  5 ataotaovy
Sokajin-teny  6  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  7  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  8 Dox
Mpanonta printy 
Lahatsiratra manontolo  10  Ataotaovy aho rey olona, fa mavesatra ny anjarako,
He ! malama anie ity lalako ka tsy misy hamaharako !
Kotsan'ny fitiavana aho ... kotsakotsa mahonena !
Ho dify ihany ilay malala ... toa dia vatranao jerena.

11  Ataotaovy aho ray olona, sao dia raraka tsy fidiny
Ny fitia nisahiranako ka dia hahitako ngidiny !
ny felan'ny tatamo ve hahatondrako rano mody ?
ny hetahetako avy eto dia tsy hisy fanafody !

12  Ataotaovy aho ray olona, tokana 'ty siny ity ...
Raha montsamontsana eto, ho entiko aiza ny fitia,
Mitondra tanam-polo, mangaina sy mangaihay !

13  Ataotaovy aho ray olona, sao tsy tratrako ity havako !
Mahazo an-kodimirana izy ka manahy ny fitiavako
sao tsy hahatratra azy ! He 'ty elanelanay !


Fivaditsoratra  14 ataotaovy, Ataotaovy

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/10