|
|
|
|

Teny iditra 1  manampina
Fototeny  2 tampina
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Manisy sarona amin' ny zavatra iray misokatra, na manakombona azy: Manampina vova fery ~ Manampi-maso tsy hahita
9 Manisy tapa-damba mba hanarona ny loaka amin' ny lamba: Manampina ny akanjon-janany rovitra Rasoa
10 Manisy tsentsina: Manampina tangirika amin' ny vody rindrina
11 Manisy sakana amin' ny zavatra iray mba tsy hahafahana mampiasa io zavatra io: Manampina lalana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12 to plug, to cork [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  13 boucher [1.3#662, 1.8]
14 fermer, mettre une pierre à un trou du mur [1.3#662]
Ohatra  15  Indro, manampina ny rano Izy, ka dia ritra iny; [2.996]
Fikambanana  16  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny how manampina
Ohabolana  17  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  18 mampañina, 19 mampinana, manampina, 20 mpanamina, 21 mpinamana

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21