|
|
|
|

Teny iditra 1  manaikitra
Fototeny  2 kaikitra
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Miketoka, mamely amin' ny nify: Avy hatrany dia manaikitra io alika io fa tandremo
9 Manindrona: Manaikitra ny moka amin' ny fahavaratra
10 Masiaka amin' ny lanilany: Manaikitra ny sakay
11 Maharary: Manaikitra ny kiraro fa vao
12 Mihinana, mahazo tsara, miraikitra tsara: Tsy manaikitra itỳ tandra itỳ ~ Tsy manaikitra tsara ny loko natao tamin' itỳ lamba itỳ
13 Masiaka, sarotiny, tsy azo hatonina: Manaikitra ny lehibenay fa aza mitsiditsidika any am-piasanay any ianao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  14 to bite, to cause pain [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  15 mordre; piquer, faire mal [1.8]
Ohatra  16  manaikitra izany alahelo an' Ikaky izany! [2.528#]
17  ny manetoka dia manaikitra mafy sady tampoka. [2.313#]
Mpanahaka  18  mamazana, 19  manakarepoka, 20  manakaretoka, 21  manaketoka, 22  manatandra, 23  mandramatra, 24  mandramatra, 25  mandrambo, 26  mandriatra, 27  mandrovitra, 28  mikaretoka, 29  miketoka
Fikambanana  30  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny how manaikitra
Ohabolana  31  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  manaikitra, 32 manati-kira, 33 miantraika, 34 mitakarìna, mitakarina

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/15