|
|
|
|

Teny iditra 1  mamitaka
Fototeny  2 fitaka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Manambaka: Aza mamitaka ny bado
9 Manoloky, mametsy: Namitaka ny olona tao an-tanàna iny mpisoloky iny
10 Mahadiso hevitra: Loza fa namitaka ahy ny masoko: ataoko itỳ vola ariary zato no nomeny ahy, hay roapolo
11 mamangopangoka, mametsy, manangoly, manabony, mandroboka, mandrendrika, misaroro, misarory, mandroky, mandrokidroky, misodika, manao solia, manao sombia, manao sombe, manome vohony, manome vohon-dambo, manao antohimamba, mandainga, manao marina tsy to, manome fitaka, manome lainga, manambaka, mivarotra saka be loha, manolo-bato mafana, manao varo-draikiraiky, mamahan-dalitra, mamahandainga, manao hosoka, manao tsipandrifandry, mania dika, mifetsy, misoloky, misandoka, manandoka, mivarotra, mamandrika, manolikoly, manao ronono an-tavy, mampidi-bingo, mampidi-kizo, mampiditra amin' ny ety, mampiditra amin' ny maizina, manao longoa mitoto-bozaka, mahavoafitaka, manodoka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12 to deceive, to cheat, to impose on. [1.2]
13 to defraud, to beguile [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14 tromper, frauder [1.8]
Ohatra  15  Misy mamitaka ireny. [2.4#]
16  mamitaka antsika ny fijerintsika. [1.369#]
Ohabolana  17  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  18 mamataky, mamitaka

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21