|
|
|
|

Teny iditra (1/4) 1  hetra-
Sokajin-teny  2  endritenin' ny hoe hetrana

Teny iditra (2/4) 3  hetra
Sokajin-teny  4  anarana
Haiendriteny 
5  Tsotra :
6  Tovonana :
Fanazavàna teny malagasy  7 (taloha) Velaran-tany nomen' Andrianampoinimerina ny fianakaviana tsirairay avy izay nahavoka-bary nivelomany nandritra ny herintaona (eo amin' ny roapolo vary eo ho eo, na 240 dcl); io vary azo tamin' ny hetra io dia nakana am-pahany ho an' ny mpanjaka (inenin' ny vata) ka avy amin' izany kosa indray no nampiova ny hevitry ny teny hoe hetra taty aoriana
8 (ankehitriny) Vola aloa amin' ny fanjakana maha-olom-panjakana ny tena, ka misy atao hoe hetra isandahy (vola aloan' ny lehilahy feno iraika amby roapolo taona izay efa nofoanana ankehitriny), ary ny hetrantrano, tany, omby...; izany hoe vola tsy maintsy aloa isan-taona amin' ny harena ananana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9 Taxes [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10 Impôt, taxe [1.8, 1.5]
11 Redevance [1.5]
Ohatra  12  Azo anaovana fitakiana aty aoriana ny mpandoa hetra nanadino nanambara ny hetra izay zakainy, na nanao hosoka tamin' ny sara tsy hita fototra. [4.27#]
13  Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-17, dia dia efa nampanaiky an' Antsihanaka Andriamandisoarivo, Mpanjakan' i Boina ka nampandoa hetra azy. [2.508#]
Voambolana  14  Toe-karena: ara-bola ary fitantanana
Fikambanana  15  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 6 misy ny teny how hetra
Ohabolana  16  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  17 Randzavola: hetra ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (3/4) 18  hetra
Sokajin-teny  19  anarana
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  26 Anarana hafa ilazana ny fehikibo. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  27 Ceinture [1.5]
Tovy hevitra  28 fehikibo, fehinkibo

Teny iditra (4/4) 29  hetra
Sokajin-teny  30  tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  31 [Tankarana] depuis que. § hàtra. [1.19]
Tovy hevitra  32 faitra

Fivaditsoratra  hetra, 33 treha

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22