|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  kosa
Sokajin-teny  2  mpampitohy [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3 Teny kely entina: 1) Manavaka: Ny androngo mandeha tongotra efatra, ny bibilava kosa mikisaka. 2) Milaza hoe: "etsy an-daniny": Ny ato mpianatra sary, ny atsy kosa mpianatra mozika. 3) Mampifanohitra zavatra na asa roa: Ny fahavalo mitady hanimba anao, fa ny sakaiza kosa mitady hanasoa (tsy fiteny ny hoe: fa kosa ny sakaiza...) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 on the other hand; in turn [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  5 et d'autre part, au contraire [1.8]
Ohatra  6  Inona kosa no renay? [2.270#]
7  Izaho kosa manakobana. [2.117#]
8  Diso kosa izany, Rasaha. [1.335#]
Fikambanana  9  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe kosa

Teny iditra (2/2) 10  Kosa
Sokajin-teny  11  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  12 Cush [2.996]
Fanazavàna teny frantsay  13 Kush [2.996]
Ohatra  14  Hira firehetan' i Davida nohirainy tamin' ny Tompo, noho ny tenin'i kosa Benjaminita [2.996]
Voambolana  15  Soratra Masina
Tsipelina hafa  16 kosy
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  17 Toko sy andininy momba Kosa

Fivaditsoratra  18 kaso, Kosa, kosa, 19 sako, 20 soka

Nohavaozina tamin' ny 2026/10/22