|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 ady |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
24 Fifamelezana, fifanafihana amin' ny basy aman-defona: Nahafaty olona antapitrisany maro ny ady lehibe roa farany
25 Fifampitoriana any amin' ny Fitsarana: Manana ady amin-dRakoto, hono, Rabe 26 Tsy fifanarahana, mety hiafara amin' ny fifamaliana mafy na amin' ny fifamelezana mihitsy aza: Ady be ny azy roa lahy momba ilay boky nindramin-dRanaivo ha veriny 27 Fihaonan' ny rafitra, fifanarahan-doko, fitovian' ny zavatra adika amin' ny dikany: Manaitra ny maso avy hatrany ny adin' ny loko amin' ity sary ity [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
28 A fight, combat, quarrel, contention, battle, dispute, contest, attack, assault, war. Also of things fitting well, as a door and its posts, two straight pieces of wood fitting well together, two bricks, etc. etc. With suffix pronoun -ny, as adiny, it means a something difficult to be done. [Jav. Avd (?); or Ar. Adava.]
[1.2] 29 fighting, war [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
30 guerre
[1.3#2, 1.8, 1.5] 31 combat [1.3#2, 1.8, 1.13, 1.5] 32 discussion, dispute [1.3#2, 1.5] 33 procès [1.3#2, 1.5] 34 bataille 35 Ajustage, jonction, mélange des couleurs, accord d'une copie avec son original 36 accord des instruments ou des voix [1.3#2] 37 lutte [1.13] |
| Ohatra |
38 maty tany an'ady izy (il est mort à la guerre)
[1.3]
39 mahery an' ady izy (il est valeureux dans les combats) [1.3] 40 nanao ady samy irery Davida sy Goliata (David et Goliath se battirent en combat singulier) [1.3] 41 manana ady izy (il est en procès) [1.3] 42 mba taiza no nahita ady hianao? [2.324] 43 maty maina ireo namoy ny ainy, tsy nahatohitra ny ady tsy omby tratra, ady tamin' ny hery setra, ady koa tamin' ny zehitra, izay samy nilomany. [2.472#184] |
| Mpanahaka | 44 adilahy, 45 fanditra, 46 fanjihitra, 47 fetrivoho, 48 fifandirana, 49 fifanjihirana, 50 gidragidra, 51 kisa, 52 sentsena, 53 sotasota, 54 vaniny, 55 vezovezo |
| Fikambanana | 56 Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 162 misy ny teny hoe ady |
| Ohabolana | 57 Ohabolana misy io teny io |
| Lahatsoratra | 58 Randzavola: ady ao amin' ny Baiboly (=> fahirano) |
| Fivaditsoratra | 59 Adì, ady, 60 day, 61 dia |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/08/22 |
|