|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  zoro
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Faritra kitso eo amin' ny fihaonan' ny rindrina roa: Zoron-trano.
4 Rirana, ny mivohitra amin' ny fihaonan' ny lafy roa mifanapaka: Telo zoro ny zozoro ~ Zoron-databatra.
5 Kiho: Zoron-dalana.
6 Ireo lafy avaratra-atsinanana; atsimo-atsinanana; atsimo-andrefana; avaratra-andrefana amin' ny tany atao hoe vazan-tany: Zoron-tany efatra.
7 Ny hazo atao amin' ny zoron-trano efatra amin' ny trano kotona nahatonga ny fitenenana hoe "sakeli-mihoa-joro"..
8 Fikaonan' ny tsipika roa mifanapaka: Zoro sokera, zoro dombo, zoro maranitra. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9 a corner.
10 an angle. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  11 coin.
12 angle. [1.8, 1.13]
Ohatra  13  Ny reni-vintana zoro efatra kosa dia 30 andro ka ny faha -31 andro izy no tsinana. [1.381#]
14  Indraindray telo zoro, na efa-joro, na dimy zoro izy, ary misy izay misy hasiny, ets. [1.357#]
Haiendriteny 
15  Tsotra :
16  Tovonana :
Sampanteny 
Anarana :
Voambolana  18  Matematika: rafitsary
Kamban-teny rehetra  19  Fikambanana 77 amin' io teny io
Ohabolana  20  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/3)21  zoro
Sokajin-teny  22  anarana
Fanazavàna teny frantsay  23 jour. [1.13]
Voambolana  24  Toe-karena: zaitra
Kamban-teny rehetra  25  Fikambanana 5 amin' io teny io

Teny iditra (3/3)26  zôro
Sokajin-teny  27  anarana
Fanazavàna teny malagasy  28 zozoro maniry. [Sihanaka] [1.78]
Fanazavàna teny frantsay  29 En ce qui concerne les plantes : tige triquètre, anguleuse, comme celle des Cyperaceae. Dans le Nord-Est, synonyme de bilo .. [Betsimisaraka Avaratra] [1.196]
Voambolana  30  Haizavamaniry

Fivaditsoratra  31 zôro, zoro

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/10