Entrée |
votsotra
|
Partie du discours | adjectif
|
Définition malgache | Mivaha, miboraka (kofehy, tady...): Votsotra ny kofehy ka lasa ilay ondry ¶ Afaka tamin' ny gadra na ny fanandevozana: Votsotra ireo mpifatotra telopolo ¶ Main' ny zavatra mangotraka na voan' ny kapoka mandrivorivo ka miendaka ny hoditra ary miseho ny nofo: Votsotra mihitsy ny tongony vao nalefan' ilay tsy mifaditrovana iny izy [Rajemisa 1985]
|
Traduction anglaise | escaped, freed [Hallanger 1973]
|
Traduction française | échappé, libéré [Hallanger 1974]
|
Dérivations |
Mots composés, titres, noms |
|
Exemples | iza, na andevo avy aiza no nandositra ka tafiditra aty dia votsotra ka tsy azo andevozina intsony. [Randriamamonjy: Tantara]
|
|
Entrée |
votsotra
|
Partie du discours | nom
|
Définition malgache | [Tambahoaka]
zaza teraka dia maty [Rakotosaona 1975]
|
|
Entrée |
votsotra
|
Partie du discours | nom
|
Traduction française | Action d'effeuiller une branche à la main [Boiteau 1997]
|
Vocabulaire |
Exemples | Izay tandrifin' iny karavasy iny, votsotra ny hodiny. [Randriamiadanarivo: Sikajy]
|
|