|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 tavony |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 Fonon' ny zaza raha mbola ao an-kibon-dreniny, izay fantatra koa amin' ny anarana hoe ahitrana zandrin-jaza. (Tsy maintsy alàna tsara tsy misy hamelana ny tavony na ahitra rehefa avy miteraka, fa raha tsy izany mety hankarary; araka ny fomban' ny foko sasany dia alevina any anaty tany ny tavony; avy amin' ireo toetra amam-pomba mikasika ny tavony ireo no nahatonga ny fombam-piteny toy ny hoe: Mandihy tsy afa-tavony: mifaly ambony ihany nefa mbola misy loza mananontanona; ny tany nahalatsahan' ny tavony: enti-milaza ny toerana nahaterahana)
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
4 the afterbirth
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
5 placenta
[1.8, 1.13] |
| Voambolana | 6 Haiaina |
| Mpanahaka | 7 ahitra, 8 plasenta, 9 zandrinjaza |
| Fikambanana | 10 Fitenena, anaran-tany, sns miisa 4 misy io teny io |
| Teny iditra (2/2) | 11 tavony |
| Fototeny | 12 tavona |
| Sokajin-teny | 13 filaza mandidin' ny matoantenin' ny iharana tavonana [Fitanisana] |
| Ohatra |
14 tavony ny menaka ny mivonto
[1.1]
|
| Fivaditsoratra | 15 Tanivo, tavony, 16 tôvany, 17 tovina, 18 vatony |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/02/26 |
|