|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  tavony
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Fonon' ny zaza raha mbola ao an-kibon-dreniny, izay fantatra koa amin' ny anarana hoe ahitrana zandrin-jaza. (Tsy maintsy alàna tsara tsy misy hamelana ny tavony na ahitra rehefa avy miteraka, fa raha tsy izany mety hankarary; araka ny fomban' ny foko sasany dia alevina any anaty tany ny tavony; avy amin' ireo toetra amam-pomba mikasika ny tavony ireo no nahatonga ny fombam-piteny toy ny hoe: Mandihy tsy afa-tavony: mifaly ambony ihany nefa mbola misy loza mananontanona; ny tany nahalatsahan' ny tavony: enti-milaza ny toerana nahaterahana). [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 the afterbirth. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  5 placenta. [1.8, 1.13]
Voambolana  6  Haiaina
Mpanahaka  7  ahitra, 8  plasenta, 9  zandrinjaza
Kamban-teny rehetra  10  Fikambanana 4 amin' io teny io

Teny iditra (2/2)11  tavony
Fototeny  12 tavona
Sokajin-teny  13  filaza mandidin' ny matoantenin' ny iharana tavonana [Fitanisana]
Ohatra  14  tavony ny menaka ny mivonto [1.1]

Fivaditsoratra  15 Tanivo, 16 tavony, 17 tôvany, 18 tovina, 19 vatony

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09