|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  rano mahery
Singan-teny  2 rano, 3 mahery
Sokajin-teny  4  kambanteny
Fanazavàna teny malagasy  5 a) rano misasasasa mafy avy any amin' ny toerana ambony ka manimba izay sendra azy
6 rano maria, rano mena
7 hatezerana izaitsizy: Tsy fanao ny mitsena rano mahery
8 b) rano ampiasaina amin' ny famorana mba hanasana ny ferin-jaza; rehefa madiva ho maraina ny andro no alefa ny lehilahy matanjaka haka azy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9 Running water fetched hastily on the morning of performing circumcision for washing the wound [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  10 (de rano : eau ; et mahery : forte). Sens traditionnel, ancien : eau consacrée qu'on allait puiser cérémonieusement pour la circoncision ; [1.196]
Ohatra  11  Rehefa miverina ny mpaka ranomahery dia miara-mifamalivaly hoe: "Zana-boromahery manatody am-bato. [2.436#]
12  Ny mifehy voatavo dia fanomanana ny voatavo hitondrana ny ranomahery ilaina amin' ny famorana ny Zanakandriana. [2.508]

Teny iditra (2/2)13  ranomahery
Singan-teny  14 rano, 15 mahery
Sokajin-teny  16  anarana
Fanazavàna teny malagasy  17 asidra [Bezanozano] [1.78]
18 Asidra mahery ampiasain' ny mpanefy haninginana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  19 vitriol [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  20 (de rano : eau ; et mahery : forte). Sens moderne, technologie : les acides, comme l'acide sulfurique, etc. [1.196]
Voambolana  21  Simia

Fivaditsoratra  ranomahery, rano mahery

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08