|
|
|
|

Teny iditra1  oseana
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Velarandranomasimbe mandrakotra ny telo ampahefatry ny tany ary mampisaraka ireo tanibe; nozaraina ho faritra dimy:
  1. ny Oseana Arktika: amin' ny tendron-tany avaratra;
  2. ny oseana Antarktika: amin' ny tendron-tany atsimo;
  3. ny oseana Pasifika: mampisaraka an' i Amerika amin' i Azia sy Aostralia;
  4. ny Oseana Atlantika: mampisaraka an' i Eoropa sy Afrika amin' i Amerika;
  5. ary ny Oseana Indianina: mipaka hatramin' ny sisin-tanin' i India sy Afrika atsinanana ka hatrany Aostralia, hodidininy ny Nosy Madagasikara
[1.1]
Ohatra  4  Ny Japoney, izay niandany tamin' ny Alemana, dia nandroso fatratra amin' ny oseana Pasifika sy Indiana, ary nitohy niantsinanana sy nianatsimo foana. [2.472]
Voambolana  5  Haitoetany: (amin' ny ankapobeny)
Tovy hevitra  6 bambandrano

Fivaditsoratra  oseana, 7 soa añe

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08