|
|
|
|

Teny iditra1  mpampiankina
Fototeny  2 ankina
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 Sokajin-teny entina mampiankina teny fameno amin' ny matoanteny: ohatra: mikapoka amin' ny tehina, miteny amin' ny rainy izy, miresaka momba ny fambolena izy mianaka. Ny amy (amin') sy momba dia teny mpamiankina. Hita amin' ireo ohatra fa samy hafa ny firafitry ny amy sy ny momba, na dia samy mpampiankina aza. Azo zaraina ho antokony roa ny mpampiankina: -- ao ireo mirafitra toy ny famenon' anarana; toy ireto izany: amy, aloha, aoriana, ambony, ambany, ambadika: amin'ny andro ho avy ~ alohan' ny ririnina ~ ambonin' ny latabatra ~ ambadiky ny fefy ... -- ao ireo tsy miova tsy mivalovalo; toy ireto izany: araka, arakaraka, tahaka, ohatra, toraka, toa, momba, mandritra, lavitra, noho, afa-tsy, toy: arakaraka ny halehibe ~ tahaka ny vorona ~ momba ny zaza ~ mandritra ny alina ~ lavitra ny fo ~ noho ny fihavanana ... -- ao ny mandray roa: tandrify, akaiky, izay mirafitra toy irerỳ voalohany raha milaza toerana: tandrifin' ny tsena ~ akaikin' ny sekoly, ary tahaka irero faharoa kosa raha milaza hevitra an' ohatra: tsy tandrify ny haja amam-boninahitrao izany (sahaza) ~ akaiky an-dreninao kokoa ry Rabe noho Rakoto (ara-pihavanana io)..
5 (Ny sokajin-teny miisa 11 amin' ny teny malagasy). [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 preposition. [3.1]
Fanazavàna teny frantsay  7 préposition. [3.1]
Voambolana  8  Haiteny
Tsipelina hafa  9 mpampiankin-teny
Kamban-teny rehetra  10 mpampiankin-teny
Tsanganana sy sary iray takila  11  Ny mpampiankin-teny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/11