|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 mihomehy |
| Fototeny | 2 homehy |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
4 Misoka-molotra mampiseho nify ho fanehoana hafaliana: Vao iray volana, hono, ity zaza ity dia nihomehy
5 Mamazivazy: Nihomehy an' ilay Rangahy be kibo daholo ny ankizy 6 Maneso, manakora: Tsy fanao ny mihomehy ny resy [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
7 to laugh at, to mock; to laugh
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
8 rire; se moquer de
[1.8] |
| Ohatra |
9 Ankizy mahay mihomehy ireny, ankizy mahay milalao, mahay mihira, mahay mifaly, - saingy zanaky ny Tantsaha, ankizin' ambanivohitra.
[2.470#148]
10 Izy ve mihomehy|hihomehy, ianao tsy mihomehy|hihomehy! [2.472#248] |
| Haiendriteny |
|
| Mpanahaka | 15 dangin' ny hehy, 16 jihitry ny hehy, 17 latsaky ny hehy, 18 lokin' ny hehy, 19 mampiseho katsaka, 20 manahy nify, 21 manao farahehy, 22 manao hehy valaka, 23 manao hehy voraka, 24 matin' ny hehy, 25 miatatry ny hehy, 26 mibokitra ny tehezana, 27 mihomehy mihimoka, 28 mihomehy mikafana, 29 mihomehy ra, 30 mihomehy tsy vaky, 31 mikakakaka, 32 mikanikany, 33 mikikikiky, 34 mikimokimoka, 35 mitokaka, 36 mitokelaka, 37 mitsiky, 38 mitsiky mahalana, 39 mitsikitsiky, 40 mitsiky tsy ravo, 41 mitsiky vazana, 42 mivadika aty, 43 mivanika, 44 mivanitika, 45 mivanivany, 46 ridan' ny hehy, 47 tapa-tsinay, 48 toran' ny hehy, 49 tsy manana aina, 50 tsipaky ny hehy |
| Fikambanana | 51 Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 7 misy ny teny how mihomehy |
| Ohabolana | 52 Ohabolana misy io teny io |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22 |
|