|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 miharihary |
| Fototeny | 2 harihary |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
4 Hita na miseho manontolo tsy misy miafinafina: Mahafinaritra ahy ity trano ity fa miharihary tsara
5 Marina tsy ilana porofo: Miharihary izao ny fahaizany fa nahazo voalohany izy tamin' ny mpianatra zato 6 Menatra, mangasihasy: Niharihary foana teo izy nony novakin' ny olona ny laingany [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
7 exposed, open, manifest; fig. ashamed.
[1.2] 8 to be evident, to be plain view [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
9 être en vue; être évident
[1.8] |
| Ohatra |
10 Ary vao mainka mazava sy miharihary amin' ny eritreriny ny fahavoazany, izy io marary sy tsy mahita tory io.
[2.470#57]
|
| Haiendriteny |
|
| Mpanahaka | 15 mangezaheza, 16 mibaribary, 17 miharihary ohatra ny kary am-pamoloana, 18 miharihary ohatra ny vay an-kandrina, 19 miseho tsara, 20 misongadina, 21 mivongady, 22 tsy takona afenina ohatra ny masoandroben-dohataona |
| Fikambanana | 23 Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 2 misy ny teny how miharihary |
| Ohabolana | 24 Ohabolana misy io teny io |
| Fivaditsoratra | miharihary, 25 mihirahira |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22 |
|