|
|
|
|

Teny iditra1  mifidy
Fototeny  2 fidy
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Maka izay tiana an-tsitrapo: Nifidy ny fampianarana aho ho raharahako
5 Mifantina, mijobona, mitsonga: Nifidy azy tao anatin' ny arivoarivo aho
6 Mandatsa-bato tsy voateritery ho an-...: Nifidy an-dRabe aho ho solombavambahoaka tao amin' ny faritaninay [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 to choose [1.2, 1.7]
8 to select, to prefer. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  9 choisir; élire [1.8]
Ohatra  10  Tsy fantatro izany, fa anjaran' ialahy no mifidy [2.472]
11  nony mamo ny vahoaka, dia ny nifidy izay tovolahy sy tovovavy tomady sisa nataon' ny mpanjaka sy ny mpijirika andevo... [2.471]
12  hifidy izay ravin-damba mahafa-po azy indrindra izy; [2.470]
13  Raha izaho no mba nifidy nifantina dia navelako io faratsaikany io, fara-fidy. [1.10#F.510]
Haiendriteny 
14  Ny ankehitriny :
15  Ny lasa :
16  Ny hoavy :
17  Filaza mandidy :
Mpanahaka  18  manasivana, 19  manivana, 20  mifantina, 21  mijobona, 22  mitsaika, 23  mitsongo
Kamban-teny rehetra  24  Fikambanana 4 amin' io teny io
Ohabolana  25  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  26 fidimy, 27 midify, mifidy

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09