|
[frantsay microbe] anarana ankapobe iantsoana ireo zavamananaina na zavamaniry kiritika kely, tokantsela, tsy hita raha tsy amin' ny mikraoskaopy, miteraka aretina.
Misy karazany telo ny mikraoby:
1) ny virosy;
2) ny mikraoby zavamaniry, izay mitsinjara vitsivitsy indray, ka anisan' izany ny bakteria (basila, kaoka, vibrio, spiroketa);
3) ny mikraoby bibikely (hematozoera, amiba, tripanozaoma) [1.1#697]
|
microbe, virus [1.13]
|
|