|
|
|
|

Teny iditra1  manosotra
Fototeny  2 hosotra
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Mandalotra, manatavona amin' ny menaka, loko, fotaka, savony: Manosotra menaka ny tarehiny i Sahondra isan' alina
5 Manamasina, mametraka na manokana hiandraikitra raharaha lehibe sy ambony: Manosotra ho mpitandrina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 to smear, to paint, to apply a coating; to anoint with saliva etc. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 barbouiller, enduire: oindre; peindre [1.8]
8 badigeonner [1.13]
Ohatra  9  Tamin' ny fifandonana nisy teny rehetra teny, hita izany manamboninahitra lefitra frantsay sara-namana izany, ka nanosotra fota-mainty ny tarehiny sy ny tanany, izany teknisiana nanao malabary sy satroka mololo be sofina, izany sambo-belona tafiditra anaty vondrona miaramila gasy, tsy sahy nisoka-bava, fa sao hampagain' ny fiteniny. [2.472]
Haiendriteny 
10  Ny ankehitriny :
11  Ny lasa :
12  Ny hoavy :
13  Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  14  Fikambanana 2 amin' io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17