|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 mangovitra
Fototeny  2hovitra
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Mahatsiaro toa mihetsiketsika ny tena manontolo noho ny hatsiaka: Namirifiry ny hatsiaka; nangovitra izy amin' ilay didimananjara keliny ambony lohalika
Matahotra izaitsizy: Nangovitra aho raha vao nahare ny feon' ilay biby [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 to shiver, to shake [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6 avoir des frissons, trembler [1.8]
Haiendriteny 
7 Ny ankehitriny :
8 Ny lasa :
9 Ny hoavy :
10 Filaza mandidy :
Mpanahaka  11 manarandefona, 12 marikoditra, 13 mifihifihy, 14 mihararetra, 15 mihenavelona, 16 mihorohoro, 17 mihoronkoditra, 18 mihovotrovotra, 19 mipararetra, 20 mitorakovitra, 21 mivihivihy
Ohabolana  22 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)23 mangovitra
Sokajin-teny  24 anarana
Fanazavàna teny frantsay  25 (de hovitra : frisson). Spilanthes acmella (L.) L. (Asteraceae). Cette plante a une saveur brûlante et quand on en consomme trop, elle a la réputation de faire frissonner, trembler. [Betsileo] [1.196]
Voambolana  26 Haizavamaniry
Anarana ara-tsiansa 

Fivaditsoratra  27 mangovitra, 28 mavingotra, 29 mivongatra

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02