|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  manatrika
Fototeny  2 atrika
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Mahita maso: Nanatrika ny namonoana an' i Rainandriamampandry, hono, ny raibeny.
5 Tonga amin' ny...: Tsy nanatrika ny fivoriana izy omaly fa nanavy.
6 Manoloana, tandrify, amin' ny toerana manandrify: Manatrika ny lapan' ny tanàna ny tranonay. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 to face one, to stand in presence of, to see, to witness, to act as spectators or witnesses.. [1.2]
8 to face, to meet face to face. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9 faire face; assister à. [1.8]
Ohatra  10  Avia manatrika, avia manoioana. [2.245#]
11  manatrika an' Ilaidama ve ianareo? [2.528#]
12  Dia eo manatrika ny manjo ny zanaka, anadahy, na vadin' ny tena. [2.472]
13  Mitsangana manatrika ny fefy vy mampisaraka azy amin' ny mpiasa izy ireo. [2.470]
Haiendriteny 
14  Ny ankehitriny :
15  Ny lasa :
16  Ny hoavy :
17  Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  18  Fikambanana 5 amin' io teny io
Ohabolana  19  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)20  mañatrika
Sokajin-teny  21  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  22 mitahy, manampy. [Sihanaka] [1.78]

Fivaditsoratra  23 mañakatry, 24 manakitrà, manakitra, 25 manatrika, mañatrika, 26 mikatrana

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/10