|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 manaikitra |
| Fototeny | 2kaikitra |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
4 Miketoka, mamely amin' ny nify: Avy hatrany dia manaikitra io alika io fa tandremo Manindrona: Manaikitra ny moka amin' ny fahavaratra Masiaka amin' ny lanilany: Manaikitra ny sakay Maharary: Manaikitra ny kiraro fa vao Mihinana, mahazo tsara, miraikitra tsara: Tsy manaikitra itỳ tandra itỳ ~ Tsy manaikitra tsara ny loko natao tamin' itỳ lamba itỳ Masiaka, sarotiny, tsy azo hatonina: Manaikitra ny lehibenay fa aza mitsiditsidika any am-piasanay any ianao [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
5 to bite, to cause pain [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
6 mordre; piquer, faire mal [1.8] |
| Ohatra |
7 manaikitra izany alahelo an' Ikaky izany!
[2.528#]
8 ny manetoka dia manaikitra mafy sady tampoka. [2.313#] |
| Haiendriteny |
|
| Mpanahaka | 13 mamazana, 14 manakarepoka, 15 manakaretoka, 16 manaketoka, 17 manatandra, 18 mandramatra, 19 mandramatra, 20 mandrambo, 21 mandriatra, 22 mandrovitra, 23 mikaretoka, 24 miketoka |
| Kamban-teny rehetra | 25manaiki-molotra |
| Ohabolana | 26 Ohabolana misy io teny io |
| Fivaditsoratra | 27 manaikitra, 28 manati-kira, 29 miantraika, 30 mitakarina, mitakarìna |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03 |
|