Entrée Lasa nialoha lalana
Partie du discours nom propre (titre d'histoire courte)
Auteur Rabary Jean-Joseph, 1915/07
Vocabulaire 
Tableaux et planches Tous les titres
Texte " Mieritreritra aho iky " , hoy ity ondrindrano "aiza ihany ity alehan'ny sahona? Miala eto anaty rano izy, lasa any amin'izay alehany any, tsy misy hita na ny tandindony aza; nefa inty indray izy tonga miara-milomano amintsika, miara-misakafo amintsika aza! Manahirana ahy ny mieritreritra izany! "

Izany dia fanontaniana nataon'ity ondrindrano tamin'ireo hazandrano namany. Ny toerana nipetrahan'izy ireo dia farihy kely tsara tarehy: ny afovoany voasarona ravin-tatamo miravaka voahirana maha-te-hijerý, hodidinin'ny harefo, toy ny miaramila milahatra avy ao an-tsisiny; ary teo amorony kosa no nijoroan'ny hazo maitso mavana, izay nampihofahofa ny raviny teo amboniny, toa miarahaba azy tsy an-kijanona.

Noheverin'ireo hazandrano kely tao anatin'ilay farihy kely, fa tsy misy fonenana afa-tsy io farihy keliny io, ary tsy misy manana aina afa-tsy izy tao anatiny ihany, dia ny ondrindrano, ny tsindretra, ny tsiboboka, ets,. Ity sahona anankiray anefa dia nampieritreritra ilay ondrindrano, fa vetivety tonga, vetivety lasa indray, ka tsy hainy nakombona ny vavany tsy hanontany.

Ahoanao izay sahona avy? hoy ity ondrindrano anankiray.
- Ny hanina tadiavina, razoky, hoy koa ity tsindretra. Izay sahona avy, na mankaiza iny, na mankaiza, hahavoky sa hahanoana anao ny fahalalana izay alehany!
- Tsy mety mandry tsinona ny eritreritro, hoy ilay ondrindrano tia adinadina. Manara-maso anareo rehetra aho eto, ka na tafadify amiko aza ianareo, azoko zohina ihany izay alehanareo, fa angamba aroa ambany ravin-tatamo aroa, na angamba aroa ambody harefo aroa. Fa iny sahona iny kosa, mahagaga ahy: mivikina avy any amin'izay nihaviany any izy, dia tonga eto amintsika, miara-miriaria eto; nony inona mihataka izy, dia lasa tsy misy mahita izay alehany. Efa nozohiko indimy, inenina, impolo aza; nefa nony tonga teo amoron-drano izy dia mihelina, tsy hitako izay anjavonany. Miala eto mihitsy no fihevitro azy, nefa mankaiza iky? Moa misy farihy hafa koa va ao ankoatr'ity antsika ity?
- Ise ity be resaka, hoy ity amalona. Ahoan'ise izay any an-koatra any, na misy izany, na tsy misy! Eto no anjara toeran'ny tena ka tsy ny hanina no tadiavina, fa eo no mba miana - kendry foana eo. Izahay rehetra izao efa voky, ise irery kosa no fotsy tsinay. Ny hanina, 'se'ty, tadiavina, hoy izy, sady nodoniny ilay ondrindrano, ka nitsirara tery.

Izany valy boribory izany anefa dia tsy nahafa-po ilay ondrin-drano be eritreritra. Matory izy, azony nofy ilay sahona; mahatsiaro, tonga ao an-tsainy ilay sahona. Koa isaky ny mahita hazandrano izy, dia mitady resaka aminy, dia manontany izay alehan'ny sahona.

Noho izany, dia nizara roa ny mponina tao anaty farihy: ny sasany, izay tia fotaka toy ny amalona, dia tsy nahazaka hiady hevitra intsony, ka raha vao mahatazana ilay ondrindrano dia miolana ka mitsoriaka, misitrika ao anaty fotaka; ny sasany izay afa-po tamin'izao hita maso izao, ka tsy te-hikarokaroka ny tsy hita, dia sorena tamin'ny fanontaniana tsy azo valiana nataony, ka nitsangana ho fahavalony; ary nisy vitsivitsy kosa mba velona eritreritra tahaka azy, ka nifanaraka taminy hiara-mamototra izay alehan'ny sahona.

Indray harivariva, raha mbola nanao komity tao anaty harefo ny fikambanana, dia indry tonga ny sahona, nivikina avy tany ambony any.

" Mandehana anontanio ny sahona," hoy izy rehetra tamin'ilay ondrindrano be eritreritra.

Ilay sahona dia mbola tsy nipetraka, fa nampiasa ny tongony, ka nitsoriaka nankaty nankary, nananika ny harefo, nitsipika teny ambony ravin-tatamo. Nozohin'ilay ondrindrano teny ihany, ka nony ela, azony.
- Kosy, tompoko e! hoy ilay ondrindrano.
- Kosy, tompoko e! hoy ny sahona.
- Trarantitra ianao, aza marofy, hoy ny ondrindrano, fadiranovana loatra aho ka mba te-hanontany zavatra aminao, raha tianao.
- Raha fadiranovana ianao, aza miteny, hoy ny sahona. Raha izaho, tsy mba miteny ny vavako raha tsy faly ny foko.
- Nefa, tompoko, hoy ny ondrindrano, raha avelanao hanon-tany aho, dia ho tonga ato am-poko ny hafaliana, ary ho afaka ny fahoriana.
- Manontania àry, hoy ny sahona, nefa aza manao lava loatra fa maika hody aho.
- Izao àry no izy, tompoko, hoy ilay ondrindrano, fa trarantitra ianao, aza marofy, mba to'inona kosa moa no toetr'izay fa- rihy alehanao, rehefa miala eto ianao?
- Farihy hoe? hoy ny sahona, sady nangarika izy.
- Fa moa tsy farihy, tompoko?
- Izany no mahabado anareo teraky ny ambany rano, hoy ny sahona: heverinareo mianakavy fa tsy misy afa-tsy farihy no nataon'Andriamanitra! Farihy inona no farihy?
- Ka inona indray àry, tompoko, trarantitra ianao, aza marofy?
- Tany maina, fa tsy farihy! Ity farihinareo ity dia sombiny kely bolitika, fa any ambony any dia tany maina makadiry, onenan' ny olombelona hendry, ny biby lehibe, anirian'ny hazo mahatalanjona, ny ahitra maitso toy ny karipetra vitan-Janahary, ravahan'ny voninkazo tsara tarehy izay mandraraka ny fofony manitra eran'ny habakabaka.
- Aza fady, hoy ilay ondrindrano, sady fadiranovana ery ny tarehiny, aza fady, tompoko, fa tsy misy takatro izany ambaranao izany: tany maina, olombelona, biby, hazo, ahitra, voninkazo, fofona, habakabaka. Inona no hevitr'izany, tompoko, trarantitra ianao, aza marofy, fa tsy misy fantatry ny mpanomponao.
- Aza maty aho, hoy ny sahona, fa hay! zavatra tsy fantatr' ise avokoa izany. Aoka aho hanomboka hanao fanazavana: ny tany maina dia zavatra mitovitovy amin'ireo hitan'ise ao ambanin'ny rano, nefa maina.
- Inona indray izany maina, tompoko?
- Ny hevitry ny hoe maina dia tsy misy rano.
- Tsy mbola nahita fotaka maina aho, tompoko, hoy ny ondrindrano.

Latsaka ny hehy ny sahona.
- Ary ny habakabaka indray dia toerana tsy misy rano, tsy misy fotaka, fa aera no aminy.
- Tsy haiko inoana, tompoko, izany hoe toerana tsy misy rano, tsy misy fotaka. Tsy mbola nahita izay tahaka izany aho hatrizay niainako. Ary inona indray, tompoko, izany hoe aera? Latsaka ny hehy indray ny sahona nahare izany.
- Aoka izay ny resaka momba ny any an-koatra, hoy ny sahona, fa zavatra hafa resahina. Manao ahoana ny toetry ny hanina eto aminareo?
- Aza fady indrindra re, tompoko, hoy ny ondrindrano, fa na tsy mahalala aza aho, toroy ihany, fa mba te-hahalala indrindra aho.
- Ise anie adala, hoy ny sahona, mitady hahalala ny zavatra tsy takatry ny sain'ise; ary izaho koa misary adala mandany andro miresaka izany amin'ise. Koa izao àry no hevitro: mahafaly ahy loatra ny toe-tsain'ise te-hamotopoto-javatra, ka andeha itsy izy hobabeko ise, hoentiko any amin'ny tany maina, dia ho hitan'ny mason'ise avokoa ireo zavatra notonontononiko teo: ny tany maina, ny olombelona, ny biby, ny hazo, ny ahitra, ny voninkazo, ny habakabaka.
- Eny àry, tompoko, hoy ny ondrindrano. Koa ianao aza manaiky hibaby ahy.
- Miantsampaza àry etsy an-damosiko, hoy ny sahona, mamikira mafy, fa sarotra ny dia miakatra. Nony tonga teo am-babeny ny ondrindrano, dia nivikina nankery ambony ravin-tatamo ny sahona, dia nitsipika nankeny an-tanety.

Nony tonga teny an-tanety izy, niherika hizaha ny ondrin-drano tao an-damosiny, ka inona no teo?

" Fa nankaiza ity ilay adala, hoy ny sahona, sady latsaka ny no hehy indray izy? Nandany andro ahy foana lahy ny niresaka tamin' iny! "

Fa nankaiza tokoa ny ondrindrano? Namikitra mafy teo am-baben'ny sahona izy; nefa nony tonga teo ambony ravin-tatamo izy mianaka, niaraka tamin'izay, maizina ny tany aman-danitra taminy, satria ny masony tsy mahajery amin'ny mazavantsika; dia sempotra izy ka torana satria ny rivo-drano no fiainany fa tsy ny rivotry ny habakabaka. Noho izany, dia nivaha ny tanany sy ny tongony nihazona ny sahona, ka raha nitsipika nankeny an-tanety ny sahona, izy kosa nivarina tany anaty rano. Minitra dimy vao nahazo aina izy.

" Saika ny aiko no niala, hoy ny adalalahy. Hitako marina izao fa ato amin'ity farihy ity ihany no misy fiainana; ao an-koatrany dia fahafatesana. Laingan'ny sahona foana, fa tsy misy akory izany tany maina sy olombelona sy habakabaka izany! Tsy azon'iny fitahina intsony aho! "

Rehefa natanjaka tsara izy, dia lasa nandeha nitady ny namany, ka nitantara taminy ny resaka tamin'ny sahona, ny niantsampazany teny am-babeny, ny saiky nahafaty azy. Taitra avokoa ny komity nahare izany. Ninoany avokoa ny nambaran'ny ondrindrano, nefa kosa tsy nitovy hevitra taminy izy tamin'ny hoe: "Ato amin'ity farihy ity ihany no misy fiainana ".

" Raha marina ny hevitrao, hoy izy rehetra, nankaiza àry ny sahona? Azo itompoana fa nankany amin'ny tany maina sy ny olombelona ary ny habakabaka izy ".

Nony ampitso hariva, dia tonga tao amin'ny farihy indray ny sahona. Nikaroka ilay ondrindrano be eritreritra hatraiza hatraiza izy, nefa tsy nahita; ela vao hitany tao ampovoan'ny farihy, niaraka tamin'ny komity namany.
- Tonga indray aho, hoy ny sahona.
- Mandainga ianao, Rangahy, hoy ny ondrindrano, milaza hoe tonga nefa tsy taiza tsinona fa teto amin'ny farihy ihany.
- Aza manao teny adala tahaka izany, hoy ny sahona. Raha mba fantatrao mantsy ny alaheloko teny an-tanety, raha niherika anao tao am-babeko, nefa nilaozanao nitsipika aho. Ianao no mpamitaka.
- Tsy namitaka anao aho, hoy ny ondrindrano, fa ny lamosinao no tsy azo nofikirina.

Dia notantarainy tamin'ny sahona ny maizim-pito nanarona azy, ny fahasemporana sy fahatoranana nihatra taminy.
- Hitako tamin'izany, ry Ingahy, hoy izy, fa ao ivelan'ity farihy ity dia tsy misy afa-tsy fahafatesana. Izany no itanako anao ho mpandainga raha milaza fa tany an-koatry ny farihy ianao, nefa velona ihany. Veloma, ry Ingahy, ary aza mamitaka namana intsony.

Tamin'izay dia nentiny handeha ny komitiny.
- Andraso kely angaloha, hoy ny sahona. Efa nihaino anao aho; ka mba mihainoa ahy kosa ho valin'izany. Hitako fa tsy fidiny tokoa no tsy nahapetrahanao tao an-damosiko; nefa kosa, any naraina dia nahita zavatra nahatalanjona aho. Tato ho ato dia nahita ondrindrano anankiray aho, nananika ny harefo; ny fijeriko azy dia reraka indrindra, toa efa miala aina mihitsy aza. Gaga aho nahita izany, satria fantatro ny fitiavanareo ondrindrano ny farihy. Any naraina anefa dia tahaka izao no hitako: ny tenan'ilay ondrindrano dia nitresaka, ary avy tao anatiny dia nisy zavatra tsara tarehy, mamirapiratra, nivoaka, atao hoe " angidimbe " . Tamin'izay ny komity dia samy nanongilan-tsofina nihaino.
- Hoatra ny nanonofy ilay angidimbe nivoaka avy tao anatin' ny ondrindrano. Natsotrany ny elany, napararetrany, ka tafasidina teny amin'ny habakabaka izy. Taloha kelin'izao hidinako aty am-parihy izao, nahita azy aho, ka nanadina azy izay hafatra hambarako aminareo havany, ka izao no teniny: " Ambarao azy fa mandia tany maina aho izao, manidina amin'ny habakabaka, miara-monina amin'ny biby, finaritra amin'ny fahendren'ny olombelona, matory amin' ny hazo, sambatra eto ampovoan'ny voninkazo ".
- Marina ve izany e? hoy ny komity rehetra.
- Marina izany, hoy ny sahona, ny masoko mihitsy no nahita azy. Izao koa no hafany: "Ambarao amin-drizalahy fa tsy maty aho akory, fa lasa nialoha lalana. Mbola tsaroany tsara ny nisarahanay " .
- Mahagaga izany! hoy izy rehetra.
- Mahagaga, hoy ny sahona, nefa marina. Efa hariva ity ny andro, ka andeha hisaraka fa tsy maintsy mody aho. Dia nanatitra ny sahona teo amoron'ny farihy izy, ka nahita azy niakatra ny tany maina, ary tsy niverina intsony.

Tsy ela taorian'izany, dia nahatsiaro nararirary ilay ondrindrano be eritreritra: ny biby kely fihinany tonga tsy voasambony intsony, ny zavamaniry fitainginy nanjary tsy voafihiny intsony, ary ny rano nahaterahany sady mamin'ny fony dia niova ho zava-mahasempo-tsempotra azy. Toa nisy zavatra nanesika azy hananika ny harefo, hisaraka amin'ny havana aman-tsakaizany. " hiitako fa tsy maintsy mialoha lalana anareo koa aho, hoy izy tamin'ny namany" . Dia vory ny komity hanao veloma azy.
- Tsy maintsy miverina anefa ianao, hoy izy rehetra, ka milaza aminay ny toetry ny any an-koatra any.
- Toky no omeko, hoy ilay ondrindrano.
- Ehe! hoy ity tsindretra kely finoana. Rehefa tonga any ise, ka mandia tany maina, manidina amin'ny habakabaka, hadinon'ise mihitsy izahay. Tsy hiverina akory ise.
- Toky no omeko, hoy ilay ondrindrano. Hataoko ahoana no ho fanadino ny rano nahaterahako, ny sakaiza niarahako niriaria, ary indrindra fa izay faniriana niarahantsika nanana teto? Veloma mandra-pihaona!.
- Miverena àry, hoy ilay tsindretra, fa raha tsy miverina ianao, mihena ny finoanay.
- Ka sao tsy azo atao kosa ny miverina, rehefa tonga any, hoy ity ondrindrano anankiray. Be anie izay ondrindrano lasa izay, nefa tsy mbola hitako izay tafaverina teto.
- Izany no asa, hoy ilay ondrindrano be eritreritra, fa veloma aloha, tsaroako fa tsy mahazo mijanona intsony aho, sady sempotra dia sempotra ery izy, fa tsy antonona azy intsony ny rivo-drano. Nisy tovolahin-tsindretra roa nanaraka azy nananika ny harefo, mba hahita izay hiafarany; nefa vao nitsidika ny habakabaka ny loha dia maizina, sady fanina no sempotra. Hany heriny nisitrika. Niandry dia niandry ny havany aman-tsakaizany, nefa tsy tonga intsony ilay ondrindrano be eritreritra.
- Hadinony isika, hoy ny sasany. Betsaka izy any, ka variana izy! Aiza no hahatsiarovany antsika aty an-kanifisana aty I
- Tsy manadino akory, hoy indray ny sasany, fa ny fiainana aty anaty rano sy ny fiainana any an-koatra no samy hafa, ka tsy mahazo miverina intsony izy.
- Ehe! hoy kosa ny sasany. Angamba ny eto ihany no velona, fa ny any an-koatra tsy misy fiainana intsony.
- Mbola hiverina ihany, hoy ny sasany, fa isika no tsy mahandry, ka be monomonona. Fa mba nanao ahoana kosa àry ilay ondrindrano be eritreritra, rehefa tonga angidina ka mponina teto amin'ny tany maina? Moa nanadino ny rano nahaterahany sy ny havana aman-tsakaizany izy? Moa tsy tsaroany tokoa ny toky nomeny fa variana nanidina foana teny amin'ny habakabaka izy? Moa variana tamin'ny ankamaroany tety ambony tany izy, ka tsy nihevitra ny ankavitsiany tany ambany rano? Tsaroany dia tsaroany izany rehetra izany, nefa ny fiainana no samy hafa, ka tsy azony notanterahina ny toky nomeny. Tsy ela taorian'ny nialany, dia maro koa ny ondrindrano sy ny tsindretra no nananika harefo. Izay rehetra nandeha dia nohafatra-faran' ny namany, nefa tsy nisy tafaverina tao anaty farihy intsony. Na tsy tafaverina aza izy rehetra, tsy nanadino akory, tahaka izay niheveran' ny namany azy. Raha vao mamiratra ny masoandro amin' ny maraina, na madiva hisitrika amin'ny hariva, dia mampandihy ny elany izy rehetra, ka manidintsidina eny amoron-drano, mamangivangy ny harefo, manantena hahita namana miofo, ka hitsena azy. Mahalana izy no diso fanantenana. Tamin'ny farany, dia tapitra niofo izy rehetra ka samy tonga angidina avokoa. Endrey! ny hasambarany rehefa tafaharo toerana. Veloma, ry farihy kely sy ondrindrano! Raha mbola nieritreritra ny tantaranareo izahay, dia nahatsiaro ny tenanay koa. Izahay koa manan-kavana lasa, tsy misy tafaverina ny malalanay. Nefa tsy levona ao anaty fasana izy, fa lasa nialoha lalana; eny, tsy manadino izy, fa ny fiainana no samy hafa, ka miandry anay any ambony no ataony. Mbola ho tafahaona mantsy!


Mis à jour le 2023/10/20