Entrée (Teny iditra) Imerimanjaka (merina, zaka)
Partie du discours (Sokajin-teny)   nom propre (géographie) (anaran-tsamirery (jeôgrafia))
Définition malgache (Famaritana malagasy)   Vohitra kely eo andafy andrefan' i Alasora, mifanao Alahamady sy Adimizana izy roa, elanelanim-tanimbary ary atsimon-Antananarivo. Ny bokin-dRainianjanoro sy ny gazety "Fanazavana" Juin 1930, ary ny Tantaran-ny Andrianan-i mompera Callet (takelaka 252-253) dia samy milaza azy ho isan-ny Tendrombohitra 12; fa ilay jeografy kely tranainy tamin-ny Tany gasy kosa tsy nilaza azy ao amin-ny fitanisany... [Ravelojaona 1937]
Vocabulaire (Voambolana)  
Géographie (Jeografia)  
Latitude: 18°57'S. Longitude: 47°33'E.
Voyez (Jereo)  

Mis à jour le 2012/05/03
Formulaire pour nous envoyer des commentaires