|
|
|
|

Teny iditra (1/5)1  ho
Sokajin-teny  2  kianteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3 Teny kely fametraka eo alohan' ny teny iray hanambarana ny fotoana ho avy, ka io teny ialohany io mety ho: -- Anarana: Ny ho dokotera no kendreny -- Mpamaritra anarana: Ho hendry aho amin' ny sisa -- Mpisolo anarana: Ho izany tokoa! -- Matoanteny: Ho tonga rahampitso izy / Ho vita ity rahariva (raha matoantenin' ny iharana misy tovana, mitovona ny ho: Hovitaiko ity rahariva) -- Mpamaritra matoanteny: Ho aiza i Neny? -- Ho any an-tsena aho, anaka
4 Teny kely fametraka eo alohan' ny an- na ny mpisolo anarana misolo olona fameno (ahy, anao, azy...) ka enti-milaza ny olona voakendry ho tompon-javatra: Ho andRakoto, ho antsika
5 Teny fanao: a) eo aorian' ny matoanteny toy ny hoe atao, heverina hilazana toe-javatra tsy tahaka ny niheverana azy: Nataoko ho efa lasa ianao; b) eo aorian' ny matoanteny, toy ny hoe manao, mihevitra, mihambo, hilazana toetra tsy ananana: Manao azy ho adala, mihevitena ho mahay; d) eo aorian' ny matoanteny toy ny manova, miova, ovana: Miova ho tsara
6 Teny fampidirana ny fehezan-kevitra milaza zava-kendrena: Mihinana mba ho velona, fa tsy velona mba hihinana, na firariana: Ho tonga anie i Dada!
7 Eo anelanelan' ny mpamaritra matoanteny miverina indroa enti-milaza toerana na fotoana tsy voafaritra marina: Aiza ho aiza, eto ho eto, atsy ho atsy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8 sign of the future tense, used before consonants, as -- tonga, v. arrived; ho tonga, will arrive -- tapahina, v.pass. to be cut; hotapahina, will be cut [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9 marque le futur; se met devant les consonnes; ex. -- tonga, v. arrivé; ho tonga, arrivera -- tapahina, v.pass. qu'on coupe; hotapahina, qu'on coupera [1.8]
Kamban-teny rehetra  10  Fikambanana 77 amin' io teny io

Teny iditra (2/5)11 
Sokajin-teny  12  mpampiankin-teny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  13 tahaka, sahala [Tanosy] [1.78]

Teny iditra (3/5)14  ho
Sokajin-teny  15  tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  16 toa, toy ny, toy izany: hô fary, ny lohany indray botsa [Tanosy] [1.78]
Kamban-teny rehetra  17  Fikambanana 7 amin' io teny io

Teny iditra (4/5)18  ho~
Sokajin-teny  19  tovona [Fitanisana]

Teny iditra (5/5)20  Ho    
Sokajin-teny  21  anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  22 Singa mivaingana, faha-67 amin'ny fisokajiana miherina. [3.1]
Fanazavàna teny anglisy  23 Holmium. [3.1]
Voambolana  24  Simia
Tsanganana sy sary iray takila  25  Fisokajiana miherina

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08