|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 fitantanana |
| Fototeny | 2 tana |
| Sokajin-teny | 3 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
4 Fanohanana olona mandeha amin'ny fandraisana ny tanany eo am-pimindrana miaraka amin'ny tena: Ilaina ny fitantanana ny zaza vao mianamandeha. .
5 Fitondrana, fifehezana: Noraisin'ny fanjakana ny fitantanana ireo orinasa ngeza eto amin'ny firenena. . [1.1] |
| Kamban-teny rehetra | 6 filankevi-pitantanana |
| Teny iditra (2/2) | 7 fitantanana |
| Fototeny | 8 tantana |
| Sokajin-teny | 9 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
10 Fizarana (vary, hena, sakafo, vola) amin'olona maromaro nandray anjara tamin'ny fandevenana na famadihana: Iza no hikarakara ny fitantanana ny sakafo amin'ireo mpandevina? .
11 Fiadidiana, fiandraiketana: An'ny vehivavy ny fitantanana ny vola ao an-tokantrano. . [1.1] |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09 |
|