|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  fanamby
Fototeny  2 tamby
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 Fomba entina manamby, manakarama.
5 Fanekena ifanaovan' olona roa na maro izay samy manana ny filazany avy momba ny zavatra iray, ka izay voaporofo fa manana ny diso dia manome vola na manao zavatra ho an' ilay nanana ny marina: Andeha hanao fanamby isika fa amin' ny telo no ho tonga ny fiaramanidina fa tsy amin' ny dimy.
6 Ny vola omena amin' io fanekena io raha resy: Ohatrinona ny fanombintsika fa tsy maintsy ho afa-panadinana aho?. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 [Mod. s. from manamby (tamby).] Laying wagers, betting.. [1.2]

Teny iditra (2/2)8  fanamby
Fototeny  9 tamby
Sokajin-teny  10  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  11 azo tambazana. [1.1]

Fivaditsoratra  12 fanamby, 13 fanimba

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12