|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  baria
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 ombidia, ombimanga. Amin'ny Antakarana any Vohémar kosa, ny baria, na varia, dia vala, fahitra, ary ny omby ompiana ao am-bala na fahitra dia atao hoe "omby am-baria". Dia misy fitenenana hoe "Omby am-baria: sady lalao no harena" [1.10]
Ohatra  4  Mitroatra ihany ny baria (omby) fa rehefa voakendan' ny mpitolona, mirehoka. [2.587#]
Voambolana  5  Haibiby: mampinono
Kamban-teny rehetra  6 tsara baria

Teny iditra (2/2)7  baria
Sokajin-teny  8  anarana
Fanazavàna teny malagasy  9 mpiasa amin'ny botry na sambo; matilò
10 mpikarama manao asa vaventy
11 mpiasa madinika ao an-trano [1.10]
Fanazavàna teny frantsay  12 matelot [Tankarana] [1.19]
Voambolana  13  Fifamoivoizan-tsambo
Tovy hevitra  14 baharia

Fivaditsoratra  15 araby, 16 baray, baria

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08