| Fanazavàna teny malagasy  | 
3 Teny ilazana ny zaza na ny olombelona mbola kely ankapobeny: Indraindray saro-pantarina ny ho avin' ny ankizy 
 Teny ilazana rehefa mety ho zanaka, na dia efa mitokan-trano ara, raha mbola velona ray aman-dreniny: Ireto ankizy ireto koa manahirana, hoy Rainikoto tamin-dRasoa vadiny, mantsy an-dRakoto mivady 
 Teny nilazana taloha, amim-pomba mitory halemem-panahy, ny mpanompo, ny andevo: Noheverin-dRabe ho Ikotovao ankizy fahiny ilay nifanena taminy, kanjo hay tsy izy 
 Ankehitriny, teny ilazana ny vady aman-janaka, ny vady (vehivavy): Lasa any an-tsena ny ankizy ka mangingina ny trano. [1.1] 
 |