|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  ange
Sokajin-teny  2  kianteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3 kian-teny entina manaitra kokoa ny sain' ny olona antsoina na itenenana mba hihainoany tsara izay holazaina aminy: Etsy ange! Avia ange! Nahoana ange hianao no tsy mba nandeha! Jereo ange! Ahoana ange izany teninao? [1.10#A.253]
4 Kian-teny kely enti-manintona ny sain' olona iresahana ka mitaona azy amim-piangentsanana kely hanao zavatra na hanatona: Jereo ange itỳ sariko ~ Avia ange hilazako zavatra e!
5 Raha aorian' ny mpamaritra matoanteny manontany ny ange dia manamafy kely ny fanontaniana amim-pomba somary miangentsana: Nahoana ange no tsy valianao ny fanontaniako? [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 used to soften commands: Jereo ange (Look) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 qui sert à adoucir les commandes: Jereo ange (Regardez un peu!) [1.8]
Ohatra  8  Ahoana ange izany? [2.285#]
9  Andramo kely ange! [2.528#]
10  Jereo ange, hoy izy. [2.499#]
11  Manahoana ange leiroa? [2.1022#]
Tsipelina hafa  12 angea, angeha
Kamban-teny rehetra  13  Fikambanana 2 amin' io teny io

Teny iditra (2/2)14  ange    
Sokajin-teny  15  anarana
Fanazavàna teny malagasy  16 anjely: L'ange gardien (Ny anjely mpiambina)
17 olona madio fo, olona lavorary [1.4]
18 anjely
19 olona tsara fanahy dia tsara fanahy. [1.9]
Voambolana  20  Finoana
Mpanahaka  21  etreauxanges

Fivaditsoratra  ange, 22 enga, 23 gena, 24 Nagè

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08