|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 andohalambo |
| Singan-teny | 2 loha, 3 lambo |
| Sokajin-teny | 4 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
5 Rafi-bato na biriky, izay vita mitatao mivohon-tsotro ka atao tataom-baravarana na vavahady
6 Karazana rafitra, vato na hazo, boribory kaoka ny atiny: Varavarana misy andohalambo [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
7 an arch
[1.2, 1.7] 8 a circular frame, etc. [1.2] 9 a vault [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
10 cintre
[2.415#6618, 1.8] 11 arceau, voûte, ogive [1.8] 12 arc [1.13] |
| Ohatra |
13 tsy nasiana tafo ilay fiarakodia tamin' io, fa tany ivelanin-tafo sy rairain-drindrina ary ny vy tohan' ireny manao andohalambo no teo.
[2.472#]
14 Mahatalanjona loatra ny nanaovany ny tranony amin' izato efitra sy rihana manana ny antony avy, mbamin' ny andry sy andohalambo vita tsara ao anatiny. [2.445#] |
| Voambolana | 15 Toe-karena: fanorenana |
| Tovy hevitra | 16 lohalambo |
| Teny iditra (2/2) | 17 andohalambo |
| Sokajin-teny | 18 anarana |
| Fanazavàna teny frantsay |
19 La pièce de cinq francs à l'effigie de Victor Emmanuel d' Italie, à cause des armes
[2.415#6618] |
| Voambolana | 20 Toe-karena: ara-bola ary fitantanana |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17 |
|