|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/3) | 1 vorondolo |
| Singan-teny | 2 vorona, 3 lolo |
| Sokajin-teny | 4 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
5 Vorona anisan' ny antsoina hoe tsy sahy andro; be maso, be vola, misy sangany kely ny vorondolo; noho izy mpivoaka amin' ny alina, dia malaza ho voron' ny mpamosavy izy; tsara ho fantatra anefa fa anisan' ny vorona mahasoa izy noho ny fihazany ny voalavo, totozy sy ny namany (iray fianakaviana amin' ny vorondolo ny tararaka sy ny matoriandro).
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
6 an owl.
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
7 hibou.
[1.54, 2.415, 1.8] |
| Ohatra |
8 vorondolo nitera-boromanga izy, hoy Bina.
[2.499#]
9 Asa, hisy hanongotra ny tolàna sy ny varavarana ka ny vorondolo sy ny hitsikitsika no honina ao aminy. [2.470] |
| Voambolana | 10 Haibiby: vorona |
| Ohabolana | 11 Ohabolana misy io teny io |
| Lahatsoratra | 12 Randzavola: vorondolo ao amin' ny Baiboly |
| Teny iditra (2/3) | 13 vorondolo |
| Sokajin-teny | 14 anarana |
| Fanazavàna teny frantsay |
15 se disait des gens qui sortent la nuit ; des paresseux qui vont voler, la nuit.
[2.415] |
| Teny iditra (3/3) | 16 Vorondolo |
| Singan-teny | 17 vorona, 18 lolo |
| Sokajin-teny | 19 anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana] |
| Fangi-bolantany | -21.25+47.35 |
| Voambolana | 20 Haitoetany: tanàna |
| Fivaditsoratra | 21 vorondolo, Vorondolo |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09 |
|