|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  ririnina
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Fizaran-taona mangatsiaka, manarakaraka ny fararano, izay iririsan' ny fanala ny ravin-kazo ka mahatonga azy hihintsana: rakodrahona matetika ny lanitra ary mifafy ny erika arahindrivotra mamirifiry avy atsimo atsinanana; hatramin' ny volana jiona ka hatramin' ny aogositra no aharetan' ny ririnina. (Ny ririnina dia antsoina koa hoe: main-tany). [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 winter, the cold and dry season. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  5 l'hiver, la saison froide et sèche. [1.8]
Ohatra  6  natahorana hosovoka vao maraina ny hatsiaka noho ny fiandohan' ny ririnina. [2.470]
7  Ny ririnina nanaraka iny fahavoazana niraisana iny mantsy, nanorina trano biriky ngezabe ry zareo. [2.472]
Haiendriteny 
8  Tsotra :
9  Tovonana :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Anarana :
Voambolana  12  Fotoana 13  Haitoetany: (amin' ny ankapobeny)
Tovy hevitra  14 main-tany
Mpanahaka  15  fahavaratra, 16  fararano, 17  lohataona
Kamban-teny rehetra  18  Fikambanana 13 amin' io teny io
Ohabolana  19  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)20  Ririnina
Singan-teny  21 ririnina
Sokajin-teny  22  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  23  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  24 Andrianjatovo Haëckel
Lahatsoratra  25  Nankaiza ny tsiky, ny lanitra manga
26  No be sorisory sy maloka lava?
27  Somparan'ny rahona ka tsy mitranga
28  Ny fara-masoandro natao hanazava
29 
30  Nankaiza ny ravina, elon'ny hazo
31  Ny vony mivelatra, radon'ny saha?
32  Finaokan'ny rivotra fa efa malazo
33  Tsy ho hitan'ny mason'ny tia zahazaha
34 
35  Mangina ny feo mikotaba ao an'ony
36  Fitopa malefaka sy eri-mitaika
37  No reko mahalana, tony dia tony
38  Nankaiza ny riana mahery fiantraika?
39 
40  Ny tampon-tanety nahoana no ngazana?
41  Ny tendron-kavoana no mangadihady?
42  Mahaiza mandinika rehefa mitazana
43  Ny fotoa-mamanala efa tonga sahady
44 
45  Izany ka izany no tsy andrenesana
46  Ny vazon'ny vorona zatra mihira
47  Matahotra hatsiaka sy fahafatesana
48  Ka lasa mihataka arý an-dakira
49 
50  Izany ka izany no tsy ahitana
51  Aina marisika, vonon-kiasa
52  Ny andro kanefa dia mbola hafana
53  Ny hatsiakan-dririnina koa ho lasa

Fivaditsoratra  54 ririnina, Ririnina

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/10