|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  masonkarena
Singan-teny  2 maso, 3 harena
Sokajin-teny  4  anarana
Fanazavàna teny malagasy  5 Izay lany rehetra tamin' ny nahazoana sy nanamboarana zavatra iray amidy: Tsy azoko amidy efajato ariary io latabatra io satria dimanjato ny masonkarena taminy. [1.1]
6 fitambaran'ny saram-pividianana sy ny saram-panodinana. [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  7 the cost price; capital used in business. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8 prix de revient; capital investi dans une affaire. [1.8]
9 prix de revient. [1.13]
Ohatra  10  Nisondrotra ny masonkarena tamin' ny fanaovam-boky. [2.356#]
Voambolana  11  Toe-karena: ara-bola ary fitantanana
Ohabolana  12  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)13  Masonkarena
Singan-teny  14 maso, 15 harena
Sokajin-teny  16  anaram-poko
Ohatra  17  Nisy faritra efatra tao amin' ny menabe, dia ny Ombalahifotsy, ny Beminono, ny masonkarena ary ny Dimanjehy. [2.508]
Voambolana  18  Haitoetany: firenena, foko

Fivaditsoratra  19 masonkarena, Masonkarena

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09