|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/5) | 1 ho |
| Sokajin-teny | 2 kianteny [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 Teny kely fametraka eo alohan' ny teny iray hanambarana ny fotoana ho avy, ka io teny ialohany io mety ho:
4 -- Anarana: Ny ho dokotera no kendreny 5 -- Mpamaritra anarana: Ho hendry aho amin' ny sisa 6 -- Mpisolo anarana: Ho izany tokoa! 7 -- Matoanteny: Ho tonga rahampitso izy / Ho vita ity rahariva (raha matoantenin' ny iharana misy tovana, mitovona ny ho: Hovitaiko ity rahariva) 8 -- Mpamaritra matoanteny: Ho aiza i Neny? -- Ho any an-tsena aho, anaka 9 Teny kely fametraka eo alohan' ny an- na ny mpisolo anarana misolo olona fameno (ahy, anao, azy...) ka enti-milaza ny olona voakendry ho tompon-javatra: Ho andRakoto, ho antsika 10 Teny fanao: a) eo aorian' ny matoanteny toy ny hoe atao, heverina hilazana toe-javatra tsy tahaka ny niheverana azy: Nataoko ho efa lasa ianao; b) eo aorian' ny matoanteny, toy ny hoe manao, mihevitra, mihambo, hilazana toetra tsy ananana: Manao azy ho adala, mihevitena ho mahay; d) eo aorian' ny matoanteny toy ny manova, miova, ovana: Miova ho tsara 11 Teny fampidirana ny fehezan-kevitra milaza zava-kendrena: Mihinana mba ho velona, fa tsy velona mba hihinana, na firariana: Ho tonga anie i Dada! 12 Eo anelanelan' ny mpamaritra matoanteny miverina indroa enti-milaza toerana na fotoana tsy voafaritra marina: Aiza ho aiza, eto ho eto, atsy ho atsy [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
13 sign of the future tense, used before consonants, as
14 -- tonga, v. arrived; ho tonga, will arrive 15 -- tapahina, v.pass. to be cut; hotapahina, will be cut [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
16 marque le futur; se met devant les consonnes; ex.
17 -- tonga, v. arrivé; ho tonga, arrivera 18 -- tapahina, v.pass. qu'on coupe; hotapahina, qu'on coupera [1.8] |
| Fikambanana | 19 Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 77 misy ny teny how ho |
| Teny iditra (2/5) | 20 hô |
| Sokajin-teny | 21 mpampiankin-teny [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
22 [Tanosy] tahaka, sahala
[1.78] |
| Teny iditra (3/5) | 23 ho |
| Sokajin-teny | 24 tambinteny [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
25 [Tanosy] toa, toy ny, toy izany: hô fary, ny lohany indray botsa
[1.78] |
| Fikambanana | 26 Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 7 misy ny teny how ho |
| Teny iditra (4/5) | 27 ho~ |
| Sokajin-teny | 28 tovona [Fitanisana] |
| Teny iditra (5/5) | 29
Ho
![]() |
| Sokajin-teny | 30 anarana (eva) |
| Fanazavàna teny malagasy |
31 Singa mivaingana, faha-67 amin'ny fisokajiana miherina.
[3.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
32 Holmium.
[3.1] |
| Voambolana | 33 Simia |
| Tsanganana sy sary iray takila |
34 Fisokajiana miherina |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/03/06 |
|