Entrée | 1 Fitenin-dRazako |
Mots élémentaires | 2 fiteny, 3 razana |
Partie du discours | 4 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 5 Littérature: poèmes |
Auteur |
6 Andriamanantena Georges |
Texte complet |
7 Eny, mamiko ianao, ry tenin-drazako, ry teniko, 8 Tiako ianao, laniko loatra ary izao dia tsy afeniko 9 Fa ny foko manontolo sy ny saiko sy fanahiko 10 Mampitovy lanja anao sy Neny 'lay niteraka ahiko! 11 Moa tsy taminao indrindra no nianarako niteny 12 nanononako an'i Dada, nanononako an'i Neny? 13 Dia i Dada sy i Neny, sampan-drano nitsinjovako 14 ny loharano niandohako, dia ireo razana tsarovako. 15 Dada, Neny, mamy izany: aina nisehoan'ny felana, 16 tany nisehoan'ny voa, lalana nanelanelana, 17 vavolombelona hita-maso, maneho ny lasa izay takarina 18 ho tsinapa sy azo raisina ary tena nisy marina. 19 Tiako i Dada, mamy i Neny. Nefa inona, lazao 20 no ho nanononako azy raha tsy tao tokoa ianao? 21 Ry tenin-drazako lalaiko! ry teny mamy tsy ariako, 22 taminao no nahalalako'reto faka nitsiriako... 23 Ary raha zohina indray ny zana-tohatra niakarako 24 teny an-dalan'ny fiainana isoritan'ny tantarako, 25 dia lasitra namboarinao, notinefinao maharitra 26 hifanentana amin'ny molotro, no nahaizako namaritra 27 ny hasoan'ito taniko: ka na lanitra baliaka, 28 na tanety mena volo, na ny fanja soa sariaka, 29 na ny rano mikoriana, na ny vorona mikalo 30 eny anivon-takariva mampiherika mpandalo, 31 ka mampody aina indray ilay tanàna-haolo-ngazako... 32 taminao dia taminao, taminao, ry tenin-drazako! 33 Ary nony vaky vony'lay fitia tanaty foko 34 ka niraraka ho hanitra ny embona ela notrotroiko, 35 moa tsy teny taminao no nanokatra ny molotro, 36 hanambara ilay fitia nampombain'ny fo natolotro? 37 Teny tsotra nahalaza ny fitia sy ny alaheloko 38 izay narafitra ho tantaran'ny tsiambarateloko. 39 Eny, ho'aho, ry tenin-drazako, ry fiteny malagasiko, 40 tsy nindrana aho fa ambiny aza'ireto vita an-taratasiko. |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |