|
|
|
|

Entrée1  Dona-tsetroka
Mots élémentaires  2  donaka, 3  setroka
Partie du discours  4  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  5  Littérature: poèmes
Auteur  6  Andriarimalala René
Texte complet  7  Mba mahafinaritra ahy ny mahita dona-tsetroka
8  Mihoatra tafon-trano, maraina vao mifoha,
9  Setroka botsiaka fa tsy mba mainty ngetroka ,
10  Malefaka fibohaka … toy ny vohavoha.

11  Toa azoko vinany ety ivelan-drindrina
12  Fa misy olona ao… mahandro tohan'aina.
13  Ny varavarankeliny mbola indreo mirindrina
14  Anefa toa azo sary ny fikenony maraina.

15  Ho tiako harahi-maso ny sampana adidiny
16  Ao an-tokantranony, ny lanjany amam-bidiny,
17  Saingy voafefy ny saiko tsy hahatakatra…

18  Ilay dona-tsetroka no nety mba harahiko
19  Hampombaiko vavaka avy ato amin'ny fanahiko
20  Hisidina izy anie! Hiakatra ka hiakatra...

Mis à jour le 2025/09/13