Index

Proverbes : tokam-pilana

Proverbe 1Tokam-pilana hoatry ny siny : tsy manam-po afa-tsy ny rano. [2.415 #6386]
Tokam-pilana ohatra ny siny: tsy manam-po afa-tsy ny rano. [1.1]
Tokam-pilana toy ny siny, tsy manam-po afa-tsy ny rano. [2.165]
Tokam-pilana, toy ny siny : tsy manan-po afa-tsy ny rano. [2.653 #3106]
Tokam-po ohatra ny siny, ka tsy manam-po afa-tsy rano. [2.558]
Interprétation malgacheEnti-milaza olona tsy manan-javatra kinendry afa-tsy zavatra toisana. [1.1]
Traduction françaiseCelui qui ne veut qu' une chose, est comme la cruche destinée seulement à recevoir l' eau. [2.415 #6386]
N' avoir qu' un seul et unique désir, comme la cruche: il ne lui faut que de l' eau. [2.165]

Proverbe 2Tsy mba maro herehina tahaka ny mason' ny mpandrary, fa tokam-pilana toa siny, ka rano ihany no ampoizina. [2.558 #4544]
Tsy mba maro herehina, tahaka ny mason’ ny mpandrary ; fa tokam-pilana toy ny siny, dia ny rano ihany no ampoizina. [2.974 #285, 2.653]
Tsy mba maro herehina, tahaky ny mason' ny mpandrary ; fa tokam-pilana toy ny siny, ka dia ny rano ihany no ampoizina. [2.415 #1409]
Traduction françaiseIl ne faut pas regarder plusieurs endroits comme les yeux de la femme qui tresse les nattes, mais il faut n' avoir qu' un but comme la cruche qui n' a de souci que pour l' eau. [2.415 #1409]
Ne pas avoir de multiples préoccupations, comme l’œil de celui qui tresse ; mais n’avoir qu’un métier, comme la cruche qui ne pense qu’à l’eau. [2.974 #285]
Interprétation françaiseCe proverbe se disait du mari qui ne cherchait plus à changer de femme ; il se disait aussi en général de l' attention qu' on devait apporter à une affaire. [2.415 #1409]

Proverbe 3Tsy miady ny angely raha tokam-pilana. [2.558 #4690]

Index