Index

Proverbes : mahia

Proverbe 1Akondro mahia latsaka an-doha sola : ny mahia manangatra ny matoy. [1.147 #A32]
Akondro mahia latsaka an-doha sola: ñy tsy matoy mañangatra ñy matoy. [2.165]
Interprétation malgacheAkondro (ny voany) mahia latsaka an-doha sola: ny tanora indray no mamoafady ny antitra. [2.165]

Proverbe 2Akondro mahia misy masaka, ka saro-dazaina aman-kavana. [2.653, 2.165]
Akondro mahia misy masaka, ka saro-dazaina aman-tompony. [2.653]
Akondro mahia misy masaka ka saro-dazaina amin-kavana. [1.1 #557, 2.558 #17]
Interprétation malgacheEnti-milaza zavatra tsy dia tsaratsara loatra ka mahasanganehana ny milaza azy amin' ny havana na ny sakaiza. [1.1 #557]
Traduction françaiseBananes maigres dont quelques-unes sont mûres: on ne sait que dire à ses parents. [2.165]
Interprétation françaiseOn n' ose pas leur en offrir. [2.165]

Proverbe 3Aleo mahia mahatratra, toy izay matavy malim-bolo. [2.653 #93]
Aleo mahia mahatratra toy izay matavy mialim-bolo. [2.415 #2273, 2.558]
Traduction françaiseMieux vaut un maigre secourable qu' un gras qui reste enfermé chez lui. [2.415 #2273]
Interprétation françaiseUn pauvre secourable vaut mieux qu'un riche avare et égoïste. [2.415 #2273]

Proverbe 4Aleo mahia ondry andrasana, toy izay mahia olom-pehezina. [2.653 #94, 2.974 #250]
Traduction françaiseMieux vaut garder des brebis maigres que d’avoir à son service des hommes décharnés. [2.974 #250]

Proverbe 5Aleo maty reniomby mahia, toy izay resy tohika. [2.558 #129]
Aleo maty reniomby toy izay ho resy tohika. [1.1]
Aleo maty reniomby, toy izay resy tohika. [2.415 #6338, 2.653 #101]
Interprétation malgacheEnti-milaza ny olona be didoha tafaohatra ka aleony iharam-patiantoka bevava toy izay ho resy lahatra. [1.1]
Traduction françaiseIl vaut mieux perdre une vache que de céder quand on s' est entêté. [2.165]
L' obstiné est semblable à celui qui aime mieux perdre sa vache plutôt que céder. [2.415 #6338]

Proverbe 6Amboa mahia, ka miverina ilalana. [2.415 #2275]
Traduction françaiseChien maigre rebrousse chemin. [2.415 #2275]
Interprétation françaiseSe disait à ceux qui envoient au loin des commissionnaires sans leur donner de quoi se nourrir en route. [2.415 #2275]

Proverbe 7Anantsinahy sy hen' ondry ka tafaray samy kafiry. [2.558 #199]
Anantsinahy sy hen' ondry mahia : tafaray samy kafiry. [2.653]

Proverbe 8Aombe mahia tsy lelafiñi ty namañe. [1.68]
Ny omby mahia tsy lelafin' ny namany. [2.165 #1481, 1.1]
Ny omby mahia tsy lelafin' ny namany, ary ny ory tsy havan' ny manana. [2.558 #3193]
Ny omby mahia tsy lelafin’ ny namany ; ny malahelo tsy mba havan’ ny manana. [2.974 #375, 2.653]
Omby mahia tsy lelafin' ny namany : ny malahelo tsy mba naman' ny manana. [2.415 #2551]
Interprétation malgacheEnti-milaza fa andosiran' ny namany ny mahia, ny tsy manana, ny oriory, fa ifanotofana kosa ny manana, ny matavy. [1.1]
Ny mahantra, ny madinika tsy mba mana-namana; ny lehibe, ny mpanan-karena ihany no hodidinin-tsakaiza maro. [1.1]
Traduction françaiseLa vache maigre n’est pas léchée par ses congénères ; le malheureux n’a pas de parents. [2.974 #375]
Les boeufs ne lèchent pas leurs compagnons maigres, les pauvres ne sont pas camarades des riches. [2.415]
Les boeufs ne lèchent pas leurs compagnons maigres. [1.68]
Les bœufs maigres ne sont pas léchés par les autres. [2.165]
Interprétation françaiseLes pauvres sont sans parents et sans amis. [2.415 #2551]

Proverbe 9Aomby mahia be tandroka, indao an-daiha. [1.147 #A95]

Proverbe 10Barabaha folaka, akondro mahia: manambady tsy tiana malak’ aretina. [1.147 #B3]

Proverbe 11Donga takona fa mahia mifanatrika. [2.974 #142]
Traduction française(Le mensonge) est replet dans l’ombre, mais très maigre en pleine lumière. [2.974 #142]

Proverbe 12Izahay tsy mba voankena, ka hahia anatin' ny matavy. [2.558 #1460]
Izaho sahala amy ny voankena : mahia anatin’ ny matavy. [2.653 #1163]

Proverbe 13Izay mahia zokin' antitra. [2.415 #1818, 2.558 #1498]
Ny mahia zokin' antitra. [1.1]
Interprétation malgacheEnti-milaza fa ratsy noho ny fahanterana ny fahiazana satria heverin' ny olona ho be taona ny mahia mitrakitraky taolana, na dia zandrin' ny matavy mandimandina aza. [1.1]
Traduction françaiseCelui qui est maigre paraît plus âgé qu' un vieux. [2.415 #1818]

Proverbe 14Izay miringiringy no potraka : izay mioty manta no leony. [2.653 #1197, 2.974 #264]
Mioty manta, ka leony; miringiringy, kapotraka. [2.653 #1801]
Ny miringiringy no potraka; ny mioty manta no leony ; ny tsy mahandry ny sisa no mahia. [2.653 #2350]
Traduction françaiseEtre haut perché, c’est risquer de tomber; cueillir des fruits verts, c’est chercher l’indisposition. [2.974 #264]

Proverbe 15Lahiantitra manani-piakarana : matavy, misanehaka, mahia, misohika! [2.558 #1673, 2.653, 2.415]
Traduction françaiseVieux qui monte une côte : gras, il est essouflé ; maigre, il est poussif. [2.415 #1821]
Interprétation françaiseIl y a des inconvénients, quoi qu' on fasse. [2.415 #1821]

Proverbe 16Mahia am-pototry ny sompitra toa sahafa. [2.558 #1876]

Proverbe 17Mahia maozatra ohatra ny herana. [2.558]
Makia-maozatra toa harena. [2.558 #1908]
Makia-maozatra toy ny herana. [2.415 #1645, 2.653 #1443, 2.165]
Traduction françaiseCassant et en même temps tenace, comme le "herana" . [2.165]
Sec mais solide comme le herana ou jonc à larges feuilles. [2.415 #1645]
Interprétation françaiseCe proverbe se disait des gens maigres mais musculeux ; il se disait aussi des petits qui s' opiniâtrent dans un procès contre les grands. [2.415 #1645]
Le "herana" est un jonc à larges feuilles dont on couvre les toits. [2.165]

Proverbe 18Mahia miarana. [2.415 #2382]
Traduction françaiseCelui qui a l' occasion de s' enrichir et n' en profite pas est comme quelqu' un qui reste maigre tout en se satisfaisant. [2.415 #2382]

Proverbe 19Mahia nohatsaraina toa hisatra. [2.558 #1878]
Tsara mahia toa hisatra. [2.558 #4402]
Tsara mahia, toy ny hisatra. [2.415 #1593, 2.653 #3282]
Traduction françaiseBeau dans la maigreur comme les joncs. [2.415 #1593]

Proverbe 20Mahia tsy marary hoatry ny tsindrahaka an-tatatra. [2.415 #2799]
Tsindrahaka an-tatatra, ka mahia tsy marary. [2.558 #289]
Tsindrahaka an-tatatra : mahia tsy marary. [2.415 #1726, 2.653 #3309]
Traduction françaiseCancrelat aquatique qui habite les canaux des rizières : il est maigre sans être malade. [2.415 #1726]
Interprétation françaiseSe disait des gens qui sans être malades, étaient très maigres. [2.415 #1726]

Proverbe 21Matavy anarana, fa mahia tena hoatry ny saingona. [2.415 #1654]
Matavy anarana, famahiatena, ohatra ny saingona. [2.653]
Matavy anarana ohatra ny saingona. [2.558]
Tahaka ny saingona : matavy anarana, fa mahia tena. [2.653 #2963]
Traduction françaiseGros de nom et maigre de corps comme l' herbe qu' on nomme saingona. [2.415 #1654]
Interprétation françaiseLe même mot qui signifie gros, est le nom d' une herbe longue servant à couvrir le faîtage des maisons. [2.415 #1654]

Proverbe 22Matavy sarin' alobotra, mahia sarin' alofisaka. [2.558 #2169]

Proverbe 23Miada-matavy tsy narahi-nenina, mifaly mahia tsy nisy latsa, toy ny mpivady mifanara-tsaina. [2.558]

Proverbe 24Mihena am-bilany, toa hena mahia. [2.415 #2211, 2.558 #2320, 2.653 #1771]
Traduction françaiseDiminuer dans la marmite comme la viande maigre qui se contracte. [2.415 #2211]
Interprétation françaiseSe disait des biens qui diminuaient. [2.415 #2211]

Proverbe 25Mihomehy amboa mahia ka ibohazan' ny volony. [2.558 #2326]

Proverbe 26Miverin-dalana ohatra ny amboa mahia. [2.558]
Miverin-dalana ohatra ny amboa reraka. [2.558]

Proverbe 27Na dia mahia lian-kena aza aho, tsy handidy omby am-pitsanganana akory. [2.558 #2651]
Na dia mahia lian-kena aza aho, tsy mba handidy omby am-pitsanganana. [2.653 #2003]

Proverbe 28Ny lainga dia donga takona, fa botry mifanatrika. [2.415 #4938]
Ny lainga dia donga takona, fa mahia mifanatrika. [2.415 #4938]
Ny lainga donga takona fa mahia mifanatrika. [2.165 #465, 2.653 #2289, 2.558, 1.1]
Interprétation malgacheRaha mbola tsy hita ny mahalainga ny lainga, dia toy inona erý, fa raha vaky am-batolampy kosa, maharikoriko. [1.1]
Traduction françaiseLe mensonge est gras et bien portant quand il est seul et caché, mais il devient maigre et rabourgi lorsqu' il est en présence de la vérité. [2.415 #4938]
Un mensonge est dodu quand il est caché, mais il devient maigre quand il est découvert. [2.165]
Interprétation françaiseDit dans l'ombre, le mensonge a de la consistance, mais produit au grand jour, il est découvert et s' évanouit. [2.415 #4938]

Proverbe 29Ny mahia zokin' antitra, ary ny tsy manam-bato hatoraka zandrin-jaza! [2.558 #3093]
Ny mahia, zokin’ antitra ; ny tsy manam-bato batoraka, zandrin’ olona. [2.653 #2309]

Proverbe 30Ny matavy igagana, ny mahia italanjonana. [2.415 #5770, 2.653 #2335, 2.558]
Traduction françaiseOn est en admiration devant ce qui est gras, on est dans l' étonnement devant ce qui est maigre. [2.415 #5770]
Interprétation françaiseIl faut un juste milieu. [2.415 #5770]

Proverbe 31Ny matavy no tsy arahin-dromoromo, ary ny mahia no tsy arahin-datsa, dia samy herim-po no nenti-nitady. [2.558]

Proverbe 32Ny omby mahia no hanina, ny ao am-pahitra mahamena-maso. [2.165 #1442]
Ny omby mahia no hanina, ny ao am-pahitra no mahamena-maso. [2.558 #3192]
Ny omby mahia no hohanina, ny am-pahitra no mahamena-maso. [2.653 #2376, 2.415]
Ny omby mahia no ho hanina, ny be no mahamena-maso. [2.415]
Traduction françaiseSi l' on mange un bœuf maigre (sans récriminer), c' est par honte des autres qui sont dans le parc. [2.165]
Si on mange les boeufs maigres, c' est par considération pour les boeufs qui sont dans le parc. [2.415]
Interprétation françaiseSe disait des parents pauvres. [2.415 #2549]

Proverbe 33Omby mahia be tandroka ka mitondra ny tsy eran' ny aina. [1.1]
Interprétation malgacheIlazana ny tsy maintsy hanaovana ny adidy na dia sarotra aza. [1.1]

Proverbe 34Omby mahia lava kitro ka tsy mahafaly ny mpiandry. [2.415 #4560, 2.558 #3432, 2.653 #2548]
Traduction françaiseBoeuf maigre à sabots allongés : il est un sujet de déplaisir pour son gardien. [2.415]
Interprétation françaiseUn boeuf vieux et maigre n' est pas bon à manger ; le gardien avait les bêtes mortes. Le sens est : boeuf qui n' est plus bon à rien. [2.415]

Proverbe 35Omby mahia lava kitro : tsy midi-menaka intsony fa na midina aza hatrotro. [2.165 #1441, 2.415 #4561, 2.558 #3433, 2.653 #2549]
Traduction françaiseBoeuf maigre à sabots allongés par la vieillesse : aucune graisse ne découle plus de sa viande, et s' il découle quelque chose, c' est de la gélatine. [2.415]
Un bœuf à longs sabots: il n' en sort plus de graisse, ou s' il sort quelque chose, c' est de la gélatine (quand on en fait cuire la viande). [2.165]
Interprétation françaiseC' est une mauvaise viande. [2.415 #4561]

Proverbe 36Omby mahia lava tandroka, omby bory matavy : samia ihany manana ny azy. [2.558 #3434]

Proverbe 37Omby mahia very namana, olon' ory vitsy sakaiza. [2.558]

Proverbe 38Omby maty an-tsena: ny mahia manana adidy, ary ny matavy manana antsa. [2.653 #2552]
Omby maty an-tsena : ny mahia manana adidy, ny matavy manana antsa, (tsiny). [2.558 #221]

Proverbe 39Ompin' Andriamorabe: ny mahia voalambolambo, ny matavy voasafosafo. [2.558 #3448]

Proverbe 40Ondry mahia maty anaka : misikin-kamoy hanatavy tena. [2.415 #2652, 2.558 #3461, 2.653]
Traduction françaiseBrebis maigre dont l' agneau est mort : elle se résigne à cette perte pour s' engraisser. [2.415 #2652]
Interprétation françaiseA quelque chose malheur est bon. [2.415 #2613]

Proverbe 41Taolan' omby mahia aho, ka na tsy hena aza fofy. [2.558 #4110]
Taolan’ omby mahia aho : na tsy hena aza, fofy. [2.415 #2464, 2.653 #3037]
Traduction françaiseJe suis un os de boeuf maigre : si je ne suis pas de la viande, du moins je sers de peigne pour tracer les raies des tresses de cheveux. [2.415 #2464]
Interprétation françaiseJe suis utile à quelque chose. [2.415 #2464]

Proverbe 42Toa mangarika anao aho, kanjo mahia ka miolana. [2.558 #4140]
Toa mangarika anao aza aho, kanjo mahia ka miolana. [2.653 #3099]

Proverbe 43Toy ny angidina: atao mahia, be tratra; atao matavy, kely rambo. [2.165 #991, 2.653 #3182]
Traduction françaiseSemblable à une libellule: si on la considère comme maigre, elle a une grande poitrine; mais si on la regarde comme grasse, elle n' a qu' une petite queue. [2.165]

Proverbe 44Tsara mahia, toa hitatra. [2.165 #1979]
Traduction françaiseÊtre bon une fois maigre, comme l' écorce du "zozoro" (espèce de souchet). [2.165]
Interprétation françaiseLe "zozoro" est un jonc dont l' écorce sert à tresser des nattes: pour que cette écorce puisse servir, il faut quelle soit "maigre" , c.à.d. débarrassée de la partie intérieure du jonc qui est tendre, d' où le proverbe. [2.165]

Proverbe 45Tsikovoka am-bodo : matavy tsy mifahy. [2.415]
Tsikovoka an-dobo: matavy tsy afahy. [2.165 #1435]
Tsikovoka an-dobo: matavy tsy afahy; tsindrahaka an-tatatra, mahia tsy marary. [2.165]
Tsikovoka an-dobo : matavy tsy mifahy. [2.558 #4429, 2.653 #3301]
Traduction françaiseDytiques de réservoir : ils sont gras, sans être mis en parc pour être engraissés. [2.415 #4617]
Un dytique dans une mare: il s' est engraissé tout seul; un cancrelas aquatique dans une rigole: il est maigre sans être malade. [2.165]
Un dytique dans une mare: il s' est engraissé tout seul. [2.165]
Interprétation françaiseQui profite bien. [2.415 #4617]

Proverbe 46Tsiriry : mahia fahavary. [1.147 #T151]

Proverbe 47Tsokan’ omby mahian’ Ivonizongo: atontona, tsy mandeha; trohina, mamahana; nefa raha tazanina, toa hirotsaka ihany. [2.653]
Tsokan' omby mahian' i Vonizongo : atontona tsy mandeha, trohina mamahana, nefa raha tazanina toy ny hirotsaka ihany. [2.558 #4470]

Proverbe 48Ze mahia zokiñi ty antitse. [1.68]
Traduction françaiseCelui qui est maigre est plus âgé qu' un vieux. [1.68]

Index